1 Ary rehefa afaka izany, dia niala tany Atena Paoly ka nankany Korinto. 2Ary izy nahita Jiosy anankiray atao hoe Akoila, izay teraka tany Ponto, vao avy tany Italia, ary Prisila vadiny (fa Klaodio efa nandidy ny Jiosy rehetra hiala tany Roma), dia nankeo amin'izy mivady Paoly. 3Ary satria niray raharaha taminy izy, dia nitoetra tao aminy ka niasa; fa ny manao lay no raharahany. 4Ary niady hevitra isan-tSabata tao amin'ny synagoga izy ka nampanaiky ny Jiosy sy ny jentilisa. ¶ 5Ary rehefa tafidina avy tany Makedonia Silasy sy Timoty, dia voaterin'ny teny Paoly ka nanambara tamin'ny Jiosy fa Jesosy no Kristy. 6Ary nony nanohitra sy niteny ratsy ireo, dia nanopakopa-damba izy ka nanao taminy hoe: Aoka ho ao an-dohanareo ny ranareo; afaka aho; ary amin'izao sisa izao dia hankany amin'ny jentilisa aho. 7Ary raha niala teo izy, dia niditra tao an-tranon'ny lehilahy atao hoe Titosy Josto, izay nivavaka tamin'Andriamanitra; ary ny tranony nifanolotra tamin'ny synagoga. 8Ary Krispo, mpanapaka ny synagoga, mbamin'ny ankohonany rehetra dia nino ny Tompo; ary maro koa ny Korintiana, raha nandre, dia nino ka natao batisa. 9Ary ny Tompo niteny tamin'i Paoly tamin'ny fahitana nony alina ka nanao hoe: Aza matahotra, fa mitenena ihany, ka aza mangina; 10fa Izaho momba anao, ary tsy hisy olona hihazona anao hanisy ratsy anao; fa manana olona maro amin'ity tanàna ity Aho. 11Ary izy nitoetra teo herintaona sy enim-bolana ka nampianatra ny tenin'Andriamanitra teo aminy. 12Fa raha Galio no governora tany Akaia dia niray tetika hisambotra an'i Paoly ny Jiosy, ary nitondra azy nankeo amin'ny fitsarana, 13ka dia nanao hoe: Ilehio mampanaiky ny olona hivavaka amin'Andriamanitra, nefa tsy araka ny lalàna. 14Ary raha hiloa-bava Paoly, dia hoy Galio tamin'ny Jiosy: Ry Jiosy, raha misy heloka, na zavatra ratsy natao, dia mety raha mandefitra aminareo.aho; 15fa raha ady hevitra sy anarana ary ny lalànareo kosa, dia ataovinareo ihany; fa izaho tsy te-hitsara izany raharaha izany. 16Ary nandroaka azy hiala teo anoloan'ny fitsarana izy. 17Ary izy rehetra nisambotra an'i Sostena, mpanapaka ny synagoga, dia nikapoka azy teo anoloan'ny fitsarana. Nefa tsy nahoan'i Galio izany zavatra izany. ¶ 19Ary tonga tany Efesosy izy, dia nandao azy mivady teo Paoly ka lasa niditra tao amin'ny synagoga ka niady hevitra tamin'ny Jiosy. ¶ 20Ary nangataka azy hitoetra elaela kokoa ny olona, fa tsy nety izy, 21fa nanao veloma azy ka nanao hoe: Mbola hiverina hankatỳ aminareo indray aho, raha sitrapon'Andriamanitra. Dia niondrana an-tsambo niala tany Efesosy izy. 22Ary rehefa tafatody tany Kaisaria izy, dia niakatra ka niarahaba ny fiangonana vao nidina nankany Antiokia. 23Ary rehefa nitoetra tao elaela ihany izy, dia lasa nandeha nitety ny tany Galatia sy Frygia ka nampahery ny mpianatra rehetra. ¶ 24Ary tonga tany Efesosy ny Jiosy anankiray atao hoe Apolosy, izay teraka tany Aleksandria, lehilahy nahay nandaha-teny sady nahery tamin'ny Soratra Masina. 25Izany lehilahy izany efa nampianarina ny lalan'ny Tompo; ary nafana fo izy, dia niteny sy nampianatra marimarina ny amin'i Jesosy, kanefa ny batisan'i Jaona ihany no fantany. 26Ary izy niteny tamin'ny fahasahiana teo amin'ny synagoga; ary rehefa nandre azy Prisila sy Akoila, dia nandray azy hankao aminy ka nampianatra azy marimarina kokoa ny amin'ny lalan'Andriamanitra. 27Ary rehefa ta-handroso hankany Akaia izy, dia namporisika azy ny rahalahy sady nanoratra taratasy ho any amin'ny mpianatra mba handray azy tsara; ary rehefa tonga izy, dia nampahatanjaka tsara izay efa nino noho ny fahasoavana; 28fa izy nahery nandresy lahatra ny Jiosy teo imason'ny olona ka naneho marimarina tamin'ny Soratra Masina fa Jesosy no Kristy. ¶