1 Ary novorin'i Davida indray ny lehilahy voafantina rehetra tamin'ny Isiraely, dia telo alina. 2Dia niainga Davida sy ny olona rehetra izay nanaraka azy ka niala tany Bala-joda hampakatra ny fiaran'Andriamanitra izay niantsoana ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, Izay mipetraka amin'ny kerobima. 3Ary nataony teo amin'ny sariety vaovao ny fiaran'Andriamanitra ka nentiny avy tao an-tranon'i Abinadaba teo an-kavoana; ary Oza sy Ahio, zanak'i Abinadaba, no nampandeha ny sariety vaovao. 4Ary dia nentiny niala tao an-tranon'i Abinadaba teo ankavoana niaraka tamin'ny fiaran'Andriamanitra izany; ary Ahio nandeha teo alohan'ny fiara. 5Ary Davida sy ny taranak'Isiraely rehetra nitsinjaka teo anatrehan'i Jehovah tamin'ny karazan'ny zava-maneno rehetra natao tamin'ny hazo kypreso, dia tamin'ny lokanga sy ny valiha sy ny ampongatapaka sy ny korintsana ary ny kipantsona. 6Ary nony tonga teo amin'ny famoloan'i Nakona izy, dia naninjitra ny tanany tamin'ny fiaran'Andriamanitra Oza ka nihazona azy, satria nazeran'ny omby ny fiara. 7Dia nirehitra tamin'i Oza ny fahatezeran'i Jehovah; ary namely azy teo Andriamanitra noho ny fahadisoany, ka dia maty teo anilan'ny fiaran'Andriamanitra izy. 8Ary dia tezitra Davida noho ny namelezan'i Jehovah an'i Oza, ka dia nataony hoe Perez-oza ny anaran'izany tany izany mandraka androany. 9Ary Davida natahotra an'i Jehovah tamin'izany andro izany ka nanao hoe: Nahoana no ho entina atỳ amiko ny fiaran'i Jehovah? 10Ary Davida dia tsy nety namindra ny fiaran'i Jehovah ho ao aminy ao an-Tanànan'i Davida; fa naviliny ho ao an-tranon'i Obed-edoma Gatita. 11Ary nipetraka telo volana tao an-tranon'i Obed-edoma Gatita ny fiaran'i Jehovah; ka dia notahin'i Jehovah Obed-edoma sy ny ankohonany rehetra. 12Ary nambara tamin'i Davida mpanjaka hoe: Jehovah efa nitahy ny ankohonan'i Obed-edoma sy izay nananany rehetra noho ny fiaran'Andriamanitra. Dia nandeha Davida ka nampakatra ny fiaran'Andriamanitra tamim-pifaliana avy tao an-tranon'i Obed-edoma ho any an-Tanànan'i Davida. 13Ary rehefa namindra inenina ny mpitondra ny fiaran'i Jehovah, dia namono omby sy zanak'omby mifahy izy hatao fanatitra. 14Ary Davida nitsinjaka mafy dia mafy teo anatrehan'i Jehovah sady nisalotra efoda rongony fotsy. 15Ary Davida sy ny taranak'i Isiraely rehetra nampakatra ny fiaran'i Jehovah tamin'ny hoby sy ny feon'ny anjomara. 16Ary nony tonga teo an-Tanànan'i Davida ny fiaran'i Jehovah, dia nitsirika teo am-baravarankely Mikala, zanakavavin'i Saoly, ka nahita an'i Davida mpanjaka nibitaka sy nitsinjaka teo anatrehan'i Jehovah; ka dia nikizaka azy tao am-pony izy. ¶ 17Ary nampiditra ny fiaran'i Jehovah ny olona ka nametraka azy teo amin'ny fitoerany tao amin'ny lay izay naorin'i Davida hitoerany; ary Davida nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan'i Jehovah. 18Ary nony voatitr'i Davida ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihavanana, dia nitso-drano ny vahoaka tamin'ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, izy. 19Dia nomeny mofo iray sy hena iray didy ary ampempam-boaloboka iray avy ny olona rehetra, dia ny Isiraely rehetra, na lahy na vavy. Ary dia samy nody tany an-tranony avy ny olona rehetra. 20Ary Davida koa mba nody hitso-drano ny ankohonany. Fa Mikala, zanakavavin'i Saoly, nivoaka hitsena an'i Davida ka nanao hoe: Akory ity voninahitry ny mpanjakan'ny Isiraely androany! ilay nanary lamba anikeheo teo imason'ny zanakavavin'ny mpanompony, tahaka ny adala manary lamba ka tsy manan-kenatra. 21Ary hoy kosa Davida tamin'i Mikala: Teo anatrehan'i Jehovah, Izay nifidy ahy noho ny rainao sy ny ankohonany rehetra ka nanendry ahy ho mpanapaka ny Isiraely, olon'i Jehovah, eny, teo anatrehan'i Jehovah no nitsinjahako. 22Ary mbola hivazina kokoa noho izany aza aho, ka hataoko tsinontsinona ny tenako; nefa hiaraka hanam-boninahitra amin'ireo tovovavy nantsoinao ireo kosa aho. 23Ka dia tsy nanan-janaka intsony mandra-pahafatiny Mikala, zanakavavin'i Saoly. ¶