1 Ary Davida nanao izao fihirana izao ho an'i Jehovah tamin'ny andro namonjen'i Jehovah azy tamin'ny tanan'ny fahavalony rehetra, indrindra fa tamin'ny tànan'i Saoly, 2ka hoy izy: Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy, ¶ 3 4Miantso an'i Jehovah Izay mendrika hoderaina aho, Ka dia vonjena ho afaka amin'ny fahavaloko.¶ 5Fa nihodidina tamiko ny onjan'ny fahafatesana. Ary ny riaky ny faharatsiana nampahatahotra ahy.¶ 6Ny famatoran'ny fiainan-tsi-hita nihodidina tamiko, nisakana ahy ny fandriky ny fahafatesana.¶ 7Fony azom-pahoriana aho, dia niantso an'i Jehovah, eny, Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy, ary ny fitarainako dia efa tonga eo an-tsofiny.¶ 8Dia nihozongozona sy nihorohoro ny tany, ary ny fiorenan'ny lanitra nihorohoro, eny, nihozongozona ireo, satria tezitra Jehovah.¶ 9Nisy setroka nisavoana teo am-bavorony, ary afo avy teo am-bavany no nandevona ka nisy vainafo nidedadeda teo aminy.¶ 10Dia naondriny ny lanitra, ka nidina Izy; Ary aizim-pito no teo ambanin'ny tongony.¶ 11Dia nitaingina kerobima Izy ka nanidina, eny, niseho teo amin'ny ela-drivotra Izy.¶ 12Efa nanao ny maizina ho tranony manodidina Azy Izy, dia fivorian-drano sy rahona matevina¶ 13Ary avy teo amin'ny famirapiratana teo anatrehany nisy vainafo nidedadeda.¶ 14Dia nampikotroka tany an-danitra Jehovah, ny Avo Indrindra niloa-peo.¶ 15Dia nandefa zana-tsipìka Izy ka nampiely ny fahavaloko, ary nampandeha helatra ka nampifanaritaka azy.¶ 16Dia hita ny fitoeran-dranomasina, ary niseho ny fanambanin'ny tany, noho ny teny mafy nataon'i Jehovah, noho ny fifofofofon'ny fofonain'ny vavorony.¶ 17Naninjitra ny tànany avy tany ambony Izy ka nandray ahy; nanintona ahy niala tamin'ny rano be Izy.¶ 18Namonjy ahy tamin'ny fahavaloko mahery Izy sy tamin'izay nankahala ahy, satria tsy leoko ireny.¶ 19Nisakana ahy tamin'ny andro nahitako loza ireny, nefa Jehovah no niseho ho Mpanohana ahy. 20 21Nanisy soa ahy araka ny fahamarinako Jehovah; Araka ny fahadiovan'ny tanako no namaliany ahy.¶ 22Fa nitandrina ny lalan'i Jehovah aho ka tsy mba nanao ratsy hialana tamin'Andriamanitro;¶ 23Ny fitsipiny rehetra dia teo anatrehako, ary ny lalàny tsy mba nialako;¶ 24Tsy nanan-tsiny taminy aho sady niaro tena tsy ho azon'ny fahotako;¶ 25Koa namaly ahy araka ny fahamarinako Jehovah, dia araka ny fahadiovako teo imasony.¶ 26Ny olona tsara no isehoanao fa tsara; Ny tena olo-marina no isehoanao fa marina;¶ 27Ny madio no isehoanao fa madio; Ary ny mpiolakolaka kosa no isehoanao fa lalin-tsaina.¶ 28Fa ny olona ory dia vonjenao; Fa ny masonao manandrina ny mpiavonavona, ka aetrinao ireny.¶ 29Fa Hianao no jiroko, Jehovah ô; Jehovah mampahazava ny fahamaizinako.¶ 30Fa Hianao no ahazoako mitsarapaka hamely ny miaramila iray toko; Ary Andriamanitro no ahazoako mitsambikina mihoatra ny manda. 31 32Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Jehovah? Ary iza no vatolampy afa-tsy Andriamanitsika?¶ 33Izany Andriamanitra izany no fiarovana mafy ho ahy; Mitondra ny marina amin'ny lalany Izy.¶ 34Ary manao ny tongony ho tahaka ny an'ny dieravavy Izy; Mampitoetra ahy eo amin'ny fitoerako avo Izy.¶ 35Mampianatra ny tanako hiady Izy, ka mahahenjana tsipìka varahina ny sandriko.¶ 36Omenao ahy ny ampingan'ny famonjenao; Ary ny fahamoram-panahinao no mahalehibe ahy.¶ 37Halalahinao ny lalana hodiaviko, ka tsy mangovitra ny hato-tongotro.¶ 38Manenjika ny fahavaloko aho ka mandripaka azy; Ary tsy mba miverina aho mandra-pahalany ritrany.¶ 39Mandringana sy mandripaka azy aho, ka tsy maharina izy; Lavo eo ambanin'ny tongotro izy.¶ 40Hianao mampisikina ahy hery hiady; Aripakao ho ambaniko izay mitsangana hamely ahy.¶ 41Ary ataonao miamboho ahy ny fahavaloko; Ka aringako izay mankahala ahy.¶ 42Miherikerika izy, fa tsy misy mpamonjy, eny, maniry an'i Jehovah izy, fa tsy mamaly azy Izy.¶ 43Torotoroiko madinika tahaka ny vovo-tany izy; Hoseko tahaka ny fotaka eny an-dalana izy ka apariako.¶ 44Mamonjy ahy amin'ny fifanoheran'ny oloko Hianao sy miaro ahy ho lohan'ny firenen-tsamy hafa; ny firenena tsy fantatro aza dia manompo ahy.¶ 45Ny hafa firenena mikoy ahy; Raha vao mahare ny lazako fotsiny ihany aza izy, dia manoa ahy.¶ 46Ny hafa firenena dia mihaketraka ka miala amin-kovitra avy ao amin'ny fiarovany mafy. 47 48Dia Andriamanitra, Izay manao famaliana ho ahy ka mampanaiky ny firenena ahy,¶ 49Dia Ilay mitondra ahy ho afaka amin'ny fahavaloko; eny, manandratra ahy ho ambonin'izay mitsangana hanohitra ahy Hianao ary mamonjy ahy amin'ny olon-dozabe;¶ 50Koa Izany no hiderako Anao eny amin'ny firenen-tsamy hafa, Jehovah ô, sy hankalazako ny anaranao.¶ 51Manao famonjen-dehibe ho an'ny mpanjaka voatendriny Izy ary mamindra fo amin'ny voahosony, dia amin'i Davida sy ny taranany mandrakizay.