1 Ary Elisa mpaminany niantso ny anankiray tamin'ny zanakalahin'ny mpaminany ka nanao taminy hoe: Misikina, dia ento eny an-tananao ity tavoara feno diloilo ity, ka mankanesa any Ramota-gileada; 2ary rehefa mby any ianao, dia izahao Jeho, zanak'i Josafata, zanak'i Nimsy, ary midìra, ka manaingà azy hiala amin'ny namany, ary ento any amin'ny efi-trano anatiny izy; 3ary raiso ny tavoara feno diloilo, ka aidino amin'ny lohany, dia lazao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Efa nanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely Aho. Dia vohay ny varavarana, ka mandosira, fa aza mijanona. ¶ 4Ary nandeha ilay zatovo, dia ilay zatovon'ny mpaminany, nankany Ramota-gileada. 5Ary nony mby tany izy, indreo, nipetraka teo ny mpifehy ny miaramila; ary hoy izy: Ry komandy ô, mitondra teny ho aminao aho. Ary hoy Jeho: Amin'iza aminay ireto moa? Ary hoy izy: Aminao, ry komandy ô. 6Ary nitsangana izy ka niditra tao an-trano, dia naidiny tamin'ny lohany ny diloilo; ary hoy izy taminy: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Efa nanosotra anao Aho ho mpanjakan'ny Isiraely oloko. 7Ary hamely ny tamingan'i Ahaba tomponao ianao, mba hampanodiaviko an'i Jezebela ny ran'ny mpaminany mpanompoko sy ny ran'ny mpanompon'i Jehovah rehetra. 8Eny, ho fongotra ny taranak'i Ahaba rehetra; ary haringako avokoa ny lehilahy rehetra amin'ny tamingany, na ny voahazona na ny afaka eo amin'ny Isiraely; 9Ary ny taranak'i Ahaba hataoko tahaka ny taranak'i Jeroboama, zanak'i Nebata, sy tahaka ny taranak'i Basa, zanak'i Ahia; 10Ary Jezebela hohanin'ny alika ao amin'ny tany Jezirela, ka tsy hisy handevina azy. Dia namoha ny varavarana ilay zatovo ka lasa nandositra. 11Ary Jeho nivoaka nankao amin'ny mpanompon'ny tompony ary nanontaniany hoe: Raharaha tsara ihany va? Inona no nalehan'iny ilay adala iny tao aminao? Ary hoy izy taminy: Hianareo mahalala ihany an-dralehilahy sy ny heviny. 12Fa hoy ireo: Lainga foana izany; fa ambarao aminay. Dia hoy izy: Izao ka izao no nolazainy tamiko: Izao ny lazain'i Jehovah: Efa nanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely Aho. 13Dia samy nandray faingana ny lambany avy izy ireo ka namelatra azy hitoeran'i Jeho teo amin'ny ambaratonga, ary nitsoka ny anjomara izy niantso hoe: Jeho no mpanjaka. 14Ary Jeho, zanak'i Josafata, zanak'i Nimsy, nikomy tamin'i Jorama (fa Jorama mbamin'ny Isiraely rehetra niaro an'i Ramota-gileada noho ny fananihan'i Hazaela, mpanjakan'i Syria, azy; 15Nefa Jorama mpanjaka efa niverina hotsaboina tao Jezirela amin'ny feriny tamin'ny nahavoazan'ny Syriana azy, fony izy niady tamin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria), ka dia hoy Jeho; Raha izany ary no sitrakareo, aza avela hisy hiala eto an-tanàna handeha hilaza izany any Jezirela. ¶ 16Dia niakatra teo amin'ny kalesy Jeho ka nankany Jezirela, fa tany no nitoeran'i Jorama. Ary Ahazia, mpanjakan'ny Joda, efa nidina hamangy an'i Jorama. 17Ary ny mpitily mitsangana teo an-tampon'ny tilikambo teo Jezirela ka nahatazana fa indrery olona betsaka tamy niaraka amin'i Jeho, ary hoy izy: Mahita olona betsaka aho. Ary hoy Jorama: Makà mpitaingin-tsoavaly, ka maniraha hitsena azy, ary asaovy manao hoe: Fihavanana va? 18Dia nandeha ny mpitaingin-tsoavaly anankiray hitsena azy ka nanao taminy hoe: Izao no tenin'ny mpanjaka: Fihavanana va? Ary hoy Jeho: Ahoanao izay fihavanana? fa mankanesa ato aoriako ianao. Ary ny mpitily nilaza hoe: Ny iraka dia tonga teny aminy, nefa tsy niverina. 19Dia naniraka mpitaingin-tsoavaly fanindroany Jorama, ary nony tonga teny koa izy, dia nanao hoe: Izao no tenin'ny mpanjaka: Fihavanana va? Ary Jeho namaly hoe: Ahoanao izay fihavanana? fa mankanesa ato aoriako ianao. 20Ary ny mpitily nilaza indray hoe: Tonga teny aminy koa iny, fa tsy niverina; ary ny fampiriotrany dia hoatra ny fampiriotran'i Jeho, zanak'i Nimsy; fa mampiriotra hoatra ny olona adala izy. ¶ 21Ary hoy Jorama: Ampiomany. Dia nampiomaniny ny kalesiny. Dia nivoaka Jorama, mpanjakan'ny Isiraely, sy Ahazia, mpanjakan'ny Joda, samy nitsangana teo amin'ny kalesiny avy ka nandeha hitsena an'i Jeho, ary nifanena taminy teo amin'ny tanin'i Nabota Jezirelita izy. 22Ary Jorama, nony nahita an'i Jeho, dia nanao hoe: Fihavanana va. ry Jeho? Fa izy namaly hoe: Aiza no hisy fihavanana, raha mbola ao ihany ny fijangajangan'i Jezebela reninao sy ny fankatovana betsaka ataony? 23Ary Jorama nampihodina ka nandositra sady niteny tamin'i Ahazia hoe: Misy fitaka, ry Ahazia. 24Ary nohenjanin'i Jeho mafy ny tsipìka teny an-tànany, dia nitifitra an'i Jorama izy ka nahavoa azy teo anelanelan'ny sorony, ary ny zana-tsipìka niboroaka tamin'ny fony, ka dia nampianjera azy tao anatin'ny kalesiny. 25Ary hoy Jeho tamin'i Bidkara lefiny: Betao izy, ka atsipazo ao amin'ny sahan'i Nabota Jezirelita; fa tsarovy fa fony izaho sy ianao samy nitaingina kalesy nanaraka an'i Ahaba rainy, dia nolazain'i Jehovah fa hihatra aminy izao loza voalaza izao hoe: 26Efa hitako tokoa omaly ny ran'i Nabota sy ny ran'ny zanany, hoy Jehovah, ary Izaho hamaly anao eto amin'ity tany ity, hoy Jehovah. Koa betao izy, ka atsipazo amin'io tany io araka ny tenin'i Jehovah. ¶ 27Ary nony hitan'i Ahazia, mpanjakan'ny Joda, izany, dia nandositra tamin'ny lalana mankamin'ny trano ao anatin'ny saha izy. Ary Jeho nanaraka azy ka nanao hoe: Indry, asio koa iny; dia nasiany teo anatin'ny kalesiny teo amin'ny fiakarana ho any Gora, izay eo anilan'i Jibleama, izy. Ary nandositra nankany Megido Ahazia ka maty teo. 28Ary ny mpanompony nitondra azy tamin'ny kalesiny ho any Jerosalema ka nandevina azy tao am-pasany ao amin'ny razany tao an-tanànan'i Davida. 29Ary tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo nanjakan'i Jorama, zanak'i Ahaba, no vao nanjakan'i Ahazia tamin'ny tany Joda. 30Dia tonga tany Jezirela Jeho; ary nony nandre izany Jezebela, dia nohosorany loko mainty ny masony, sady noravahany ny lohany, dia nitsidika teo am-baravarankely izy. 31Ary nony niditra teo am-bavahady Jeho, dia hoy Jezebela: Fihavanana va, ry Zimry, mpamono tompo? 32Ary niandrandra ny varavaran-kely Jeho ka nanao hoe: Iza aminareo ireo no momba ahy? Iza? Ary nisy tandapa roa na telo teo nitsirika azy. 33Ary hoy Izy: Azerao io vehivavy io. Dia nazerany izy; ka nisy nipitipitika tamin'ny rindrin-trano sy ny soavaly ny ràny; ka dia nohitsahin'i Jeho izy. 34Dia niditra tao an-trano Jeho ka nihinana sy nisotro, ary dia nilaza hoe: Mandehana, Izahao ilay vehivavy voaozona, ka aleveno, fa zanakavavin'ny mpanjaka izy. 35Koa dia lasa ireo handevina azy; nefa tsy nisy tratrany teo afa-tsy ny karan-dohany sy ny tongony ary ny felatanany ihany. 36Ary niverina ireo ka nanambara taminy. Ary hoy Jeho: Araka ny tenin'i Jehovah izany, dia ilay nampilazainy an'i Elia Tisbita mpanompony hoe: Ao amin'ny tany Jezirela no hihinanan'ny alika ny nofon'i Jezebela, 37Ary ny fatiny ho toy ny zezika any an-tsaha, ny amin'ny tany Jezirela, ka tsy hisy hahazo milaza hoe Jezebela ity. ¶