1 Ary ny tenako, izaho Paoly, dia mananatra anareo amin'ny hamoram-panahy sy ny fandeferan'i Kristy, dia izaho, izay manetry tena, hono, raha eo anatrehanareo, fa sahy aminareo kosa, raha tsy eo. 2Dia mangataka aho mba tsy ho sahy, rehefa tonga, amin'ny fahatokiana izay kasaiko hahasahiana amin'ny sasany, izay manao anay ho mandeha araka ny nofo. 3Fa na dia velona amin'ny nofo aza izahay, dia tsy mba miady araka ny nofo 4(fa tsy avy amin'ny nofo ny fiadian'ny tafikay, fa mahery amin'Andriamanitra handrava fiarovana mafy); 5fa mandrava ny fisainana sy ny zavatra avo rehetra izay atsangana hanohitra ny fahalalana an'Andriamanitra izahay ka mamabo ny hevitra rehetra hanaiky an'i Kristy, 6ary vonona hamaly ny tsi-fanarahana rehetra izahay, rehefa tanteraka ny fanarahanareo. 7Mijery zavatra araka ny fisehony ihany va ianareo? Raha misy olona matoky ny tenany fa an'i Kristy, aoka izay hisaintsaina izao indray, fa tahaka ny mah'an'i Kristy azy no mah'an'i Kristy anay koa. 8Fa na dia bebe ihany aza ny fireharehako ny amin'ny fahefanay izay nomen'i Kristy anay hananganana, fa tsy handravana anareo, dia tsy hahazo henatra aho, 9mba tsy hisehoako toy ny ta-hampitahotra anareo amin'ny epistily. 10Fa ny epistiliny, hoy izy, dia mavesatra sy mahery; fa malemy kosa ny fanatrehan'ny tenany, ary tsinontsinona ny teniny. 11Aoka izany olona izany hihevitra izao, fa tahaka ny fiteninay amin'ny epistily, raha tsy eo izahay, dia ho tahaka izany koa ny asanay rehefa tonga izahay. 12Fa izahay tsy sahy hanao ny tenanay ho isan'ny sasany izay midera tena, na hampitaha ny tenanay aminy; fa tsy hendry ireny, satria manohatra ny tenanay amin'ny tenany sy mampitaha ny tenany amin'ny tenanay. 13Fa izahay tsy mba hirehareha tsy amin'ohatra, fa araka ny ohatry ny voafaritr'Andriamanitra ho anjaranay, dia ohatra mihatra aminareo. 14Fa tsy toy izay tsy mihatra aminareo izahay ka mihoatra ny faritry ny anjaranay; fa tonga hatrany aminareo aza izahay amin'ny filazantsaran'i Kristy; 15tsy mirehareha tsy amin'ohatra amin'izay nisasaran'ny sasany izahay, fa manana fanantenana izahay fa rehefa mitombo ny finoanareo, dia hohalehibiazina ao aminareo izahay araka ny voafaritra ho anjarany, sady mbola handroso ihany 16ka hitory ny filazantsara amin'ny tany any ankoatranareo, ary tsy hirehareha amin'izay efa vonona rahateo ao anatin'ny voafaritra ho an'ny sasany. 17Fa izay mirehareha, dia aoka Jehovah no ho reharehany (Jery. 9, 23) 18Fa tsy izay midera tena no ankasitrahana, fa izay derain'ny Tompo. ΒΆ