1 Ary Josafata lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida izy; ary Jehorama zanany no nanjaka nandimby azy. 2Ary nanan-drahalahy, zanak'i Josafata, koa izy, dia Azaria sy Jehiela sy Zakaria sy Azaria sy Mikaela ary Sefatia; ireo rehetra ireo no zanak'i Josafata, mpanjakan'ny Isiraely. 3Ary nomen-drainy harena betsaka ireo, dia volafotsy sy volamena ary zava-tsoa mbamin'ny tanàna sasany mimanda tany Joda; fa ny fanjakana kosa dia nomeny an'i Jehorama, satria izy no lahimatoa. 4Ary raha vao nanjaka tamin'ny fanjakan'ny rainy Jehorama, dia nitombo hery izy ka namono ny rahalahiny rehetra mbamin'ny mpanapaka sasany tamin'ny Isiraely koa tamin'ny sabatra. 5Roa amby telo-polo taona Jehorama, fony izy vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema. 6Ary nandeha tamin'ny lalan'ny mpanjakan'ny Isiraely izy, dia tahaka ny nataon'ny taranak'i Ahaba fa zanakavavin'i Ahaba no vadiny, eny, nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy. 7Nefa Jehovah tsy nety nandringana ny taranak'i Davida noho ny fanekena nataony tamin'i Davida sy ny nilazany fa homeny jiro mandrakizay izy mbamin'ny taranany. 8Tamin'ny andron'i Jehorama no niodinan'ny Edomita ka tsy nanoa ny Joda, fa nanangana mpanjaka ho azy izy. 9Ka dia nivoaka Jehorama sy ireo mpanjaka nitondra ny kalesiny rehetra; ary nanaovany latsak'alina ny Edomita izay nanodidina azy sy ny komandin'ny kalesy. 10Nefa ny Edomita mbola niodina ka tsy nanoa ny Joda ihany ambaraka androany. Ary tamin'izany andro izany Libna koa niodina tsy nety nanoa an'i Jehorama, satria efa nahafoy an'i Jehovah, Andriamanitra ny razany, izy. 11Ary nanao fitoerana avo teny an-tendrombohitr'i Joda koa izy sady nampijangajanga ny mponina tany Jerosalema ary nitaona ny Joda mangingina hanao izany. ¶ 12Ary nisy taratasy avy tamin'i Elia mpaminany tonga tao aminy nanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitr'i Davida rainao: Noho ny tsy nandehananao tamin'ny lalan'i Josafata rainao, na ny lalan'i Asa, mpanjakan'ny Joda, 13fa nandeha tamin'ny lalan'ny mpanjakan'ny Isiraely kosa ianao ka nampijangajanga ny Joda sy ny mponina any Jerosalema toy ny fijangajangan'ny taranak'i Ahaba, sady novonoinao koa ny rahalahinao nateraky ny rainao, izay tsara noho ianao, 14dia, indro, hasian'i Jehovah areti-mandringana ny vahoakanao sy ny zanakao sy ireo vadinao mbamin'ny biby fiompinao rehetra; 15ary ianao koa ho azon'ny aretina mafy, dia aretina amin'ny tsinainao, mandra-pialàlan'ny tsinainao isan'andro isan'andro noho ny aretina. 16Ary Jehovah namporisika ny Filistina sy ny Arabo izay ao akaikin'ny Etiopiana hamely an'i Jehorama; 17ary niakatra tany Joda ireo ka nisesika tao, dia nobaboiny ny fananana rehetra izay an'ny ankohonan'ny mpanjaka mbamin'ny zanany sy ny vadiny koa, ka tsy nisy zanany intsony, afa-tsy Joahaza faralahiny ihany. 18Ary nony afaka izany rehetra izany, dia nasian'i Jehovah aretina tsy azo sitranina tamin'ny tsinainy izy. 19Ary rehefa ela, nony afaka roa taona, dia nialàla ny tsinainy azon'ny aretiny; ka dia maty tamin'ny fangirifiriana mafy izy. Ary ny vahoakany tsy mba nandoro zavatra ho fisaonana azy toy ny nataony tamin'ny razany. 20Roa amby telo-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema; koa lasa tsy nisy nalahelo azy izy. Ary nalevina tao an-Tanànan'i Davida ihany izy, nefa tsy mba tao amin'ny fasan'ny mpanjaka. ¶