1 Ary nony afaka izany, dia avy hiady tamin'i Josafata ny taranak'i Moaba sy ny taranak'i Amona mbamin'ny any ankoatry ny Amonita. 2Ary nisy tonga ka nanambara tamin'i Josafata hoe: Indreo, misy olona betsaka avy any an-dafin'ny ranomasina, dia avy any Syria, ho avy hiady aminao; ary indreo izy ao Hazezon-tamara (Enjedy izany). 3Dia natahotra Josafata ka nanatrika tsara hitady an'i Jehovah sady niantso andro fifadian-kanina ho an'ny tanin'ny Joda rehetra. 4Dia niangona ny Joda hangataka famonjena amin'i Jehovah; eny, avy tamin'ny tanànan'ny Joda rehetra hitady an'i Jehovah izy. 5Ary Josafata nitsangana teo amin'ny fiangonan'ny Joda sy Jerosalema, Tao amin'ny tranon'i Jehovah, teo anoloan'ny kianja vaovao, 6ka nanao hoe: Ry Jehovah ô, Andriamanitry ny razanay, tsy Hianao va no Andriamanitra any an-danitra? Eny, Hianao no manapaka amin'ny fanjakan'ny jentilisa rehetra, ary eo an-tananao ny hery sy ny fahefana, ka tsy misy mahasakana Anao. 7Ry Andriamanitray ô, tsy Hianao va no nandroaka ny mponina tamin'ity tany ity hiala teo anoloan'ny Isiraely olonao ka nanome azy mandrakizay ho an'ny taranak'i Abrahama sakaizanao? 8Ary nonina tatỳ izy ka nanao fitoerana masina teto ho an'ny anaranao sady nanao hoe: 9Raha manjo anay ny loza, na sabatra, na famaliana, na areti-mandringana, na mosary, ary hitsangana manatrika ity trano ity sy eto anatrehanao izahay (fa ny anaranao no amin'ity trano ity) ka hitaraina aminao amin'ny fahorianay, dia hihaino Hianao ka hamonjy. 10Koa indreo ny taranak'i Amona sy Moaba ary ny avy any an-tendrombohitra, Seira, dia ilay tsy navelanao hotafihin'ny Isiraely, fony izy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, ka nivily fa tsy nandringana azy; 11nefa indreo izy mamaly ratsy anay ka avy handroaka anay amin'ny lova nomenao anay. 12Ry Andriamanitray ô, tsy hitsara azy va Hianao? Fa izahay dia tsy manan-kery hanohitra ireo olona betsaka ireo, izay avy hamely anay, koa tsy hitanay izay hataonay; fa Hianao no andrandrain'ny masonay. 13Ary ny Joda rehetra mbamin'ny vadiny aman-janany koa dia samy nitsangana teo anatrehan'i Jehovah. 14Ary Jahaziela, zanak'i Zakaria, zanak'i Benaia, zanak'i Jeiela, zanak'i Matania, Levita amin'ny taranak'i Asafa, dia voatsindrin'ny Fanahin'i Jehovah teo amin'ny fiangonana 15ka nanao hoe: Mihainoa ianareo, ry Joda rehetra sy ry mponina any Jerosalema, ary ianao, ry Josafata mpanjaka: Izao no lazain'i Jehovah aminareo: Aza matahotra na mivadi-po ny amin'ireo olona betsaka ireo, fa tsy anareo ny ady, fa an'Andriamanitra. 16Rahampitso dia midìna hiady aminy ianareo; fa, indreo, hiakatra amin'ny fiakarana Ziza izy; ary ianareo hahita azy eo amin'ny faran'ny lohasahan-driaka tandrifin'ny efitr'i Jeroela. 17Tsy ianareo anefa no hiady amin'ity; mijanòna tsara, fa ho hitanareo ny hamonjen'i Jehovah anareo, ry Joda sy Jerosalema. Aza matahotra na mivadi-po, fa rahampitso dia mivoaha hiady aminy; fa Jehovah no momba anareo. 18Dia niankohoka tamin'ny tany Josafata; ary ny Joda sy ny mponina rehetra tany Jerosalema niankohoka teo anatrehan'i Jehovah koa ka nivavaka. 19Dia nitsangana ny Levita, taranaky ny Kehatita sy taranaky ny Koraita, mba hidera an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamin'ny feo mahery indrindra. ¶ 20Ary nifoha maraina koa izy, dia niainga nankany an-efitr'i Tekoa; ary nony nivoaka izy, dia nitsangana teo Josafata ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry Joda, sy ianareo, ry mponina eto Jerosalema: Minoa an'i Jehovah Andriamanitrareo, dia ho tafatoetra ianareo; minoa ny mpaminaniny, dia hambinina ianareo. 21Ary rehefa niara-nihevitra tamin'ny olona izy, dia nanendry mpihira ho an'i Jehovah hidera amin'ny fihaingoana masina, raha mivoaka eo anoloan'ny olona efa voaomana hiady, ka hanao hoe: Miderà an'i Jehovah, fa mandrakizay ny famindram-pony. 22Ary raha vao nanomboka nihoby sy nidera ireo, dia nasian'i Jehovah otrika hamely ny taranak'i Amona sy Moaba sy ny avy any an-tendrombohitra Seira, izay avy hamely ny Joda, ka dia resy ireo. 23Dia nitsangana ny taranak'i Amona sy Moaba namely ny avy any an-tendrombohitra Seira ka namono sy nandringana azy; ary nony voaringany ny mponina tany Seira, dia nifandringana kosa izy samy izy ihany. 24Ary nony tonga teo amin'ilay fitazanana any an-efitra ny Joda, dia nijery ireo olona betsaka ireo izy, koa, indreo, nisy faty niampatrampatra tamin'ny tany, fa tsy nisy afa-nandositra. 25Ary avy hamabo azy Josafata sy ny vahoakany, dia nahita harena betsaka sy faty ary fanaka sarobidy teo izy, ka dia namabo mihoatra noho izay zakany ho entina; ary hateloana no nanangonany ny babo, fa be dia be ireny. 26Ary tamin'ny andro fahefatra dia nivory tao amin'ny lohasaha Beraka izy, fa tany no nisaorany an'i Jehovah; koa izany no nanaovany izany tany izany hoe Lohasaha Beraka mandraka androany. 27Koa dia niverina ny lehilahy rehetra amin'ny Joda sy Jerosalema, ary Josafata nitarika azy hankany Jerosalema indray tamin'ny fifaliana, fa Jehovah nampifaly azy ny amin'ny fahavalony. 28Ary tonga tany Jerosalema izy nitondra valiha sy lokanga ary trompetra ka nankao an-tranon'i Jehovah. 29Ary ny fahatahorana an'Andriamanitra nahazo ny fanjakana rehetra manodidina, nony efa reny fa Jehovah no niady tamin'ny fahavalon'ny Isiraely. 30Ary nandry fahizay ny fanjakan'i Josafata; fa nomen'Andriamaniny fiadanana tamin'ny manodidina izy. ¶ 32Ary nandeha tamin'ny lalana nalehan'i Asa rainy izy ka tsy niala tamin'izany, fa nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah. 33Kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa ny olona tsy mbola nampiomana ny fony hitady an'Andriamanitry ny razany. 34Ary ny tantaran'i Josafata sisa, na ny voalohany na ny farany, indro, efa voasoratra ao amin'ny tenin'i Jeho, zanak'i Hanany, izay nakambana ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Isiraely, izany. 35Nefa nony afaka izany, Josafata, mpanjakan'ny Joda, nikambana tamin'i Ahazia, mpanjakan'ny Isiraely, izay nanao ratsy; 36ary nikambana taminy hanao sambo hankany Tarsisy izy, ka tao Ezion-gebera no nanaovany azy. 37Ary Eliezera, zanak'i Dodavaho, avy any Maresa, naminany ny amin'i Josafata hoe: Noho ny nikambananao tamin'i Ahazia dia horavan'i Jehovah ny asanao. Ary nahavakiana ny sambo ka tsy nahazo nankany Tarsisy. ¶