1 Aza mamely mafy loatra ny anti-panahy, fa anaro toy ny ray izy, ny tanora fanahy toy ny rahalahy, 2ny vehivavy anti-panahy toy ny reny, ny tanora fanahy toy ny anabavy, amin'ny fahadiovana rehetra. 3Omeo voninahitra ny mpitondratena izay efa mpitondratena tokoa. 4Fa raha misy mpitondratena manana zanaka na zafy, aoka ireo hianatra aloha haneho izay toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'ny ao an-tranony ka hamaly soa ny rainy aman-dreniny; fa izany no ankasitrahana eo anatrehan'Andriamanitra. 5Fa izay efa mpitondratena tokoa ka irery tena dia efa manantena an'Andriamanitra ka maharitra amin'ny fangatahana sy ny fivavahana andro aman'alina 6Fa izay vehivavy manaram-po amin'ny fahafinaretana dia maty fahavelony. 7Ary izany zavatra izany no andidio, mba tsy hananany tsiny. 8Fa raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza. 9Aza soratana ho isan'ny mpitondratena izay latsaka noho ny enim-polo taona sady efa nanam-bady indray mandeha ihany 10ary tsara laza amin'ny asa tsara; raha namelon-jaza izy, raha nampiantrano vahiny, raha nanasa ny tongotry ny olona masina, raha namonjy ny nozoim-pahoriana, raha nazoto nanaraka ny asa tsara rehetra. 11Fa mandava ny mpitondra-tena tanora; fa raha tsy maharitra ny fifehezan'i Kristy izy, dia ta-hanam-bady 12ka hahazo fanamelohana, satria nandà ny finoany voalohany izy. 13Sady mianatra ho malaina koa izy ka mandehandeha mitety trano; ary tsy malaina ihany, fa mpilazalaza sy mpandehandeha miraharaha ny an'olona ka manao teny tsy mety. 14Koa tiako ny mpitondratena tanora fanahy hanam-bady sy hanana zanaka sy hanapaka ny tranony ka tsy hanome vava ny fahavalo hiteny ratsy. 15Fa ny sasany efa nivily sahady nanaraka an'i Satana. 16Raha misy vehivavy mino manana mpitondratena, aoka izy hamelona azy, ary aza avela hahavaky tratra ny fiangonana, mba hamelomany izay efa mpitondratena tokoa. 17Aoka ny loholona izay mitondra tsara hatao tokony hahazo fanajana roa heny indrindra fa izay nikely aina amin'ny teny sy ny fampianarana. 18Fa hoy ny Soratra Masina: "Aza manakombona ny vavan'ny omby mively vary ianao" (Deo. 25.4) Ary koa: "Ny mpiasa miendrika hahazo ny karamany" (Lio.10.7). 19Aza mandray teny hiampangana loholona, raha tsy misy vavolombelona roa na telo. 20Izay manota dia anaro eo anatrehan'ny olona rehetra, mba hatahotra koa ny sasany. 21Mananatra anao mafy aho eo anatrehan'Andriamanitra sy Kristy Jesosy ary ny anjely voafidy mba hotandremanao izany zavatra izany, tsy manao olon-tiana, na manao na inona na inona amin'ny fiangarana. 22Aza malaky mametra-tanana amin'olona na iza na iza, ary aza miombona ota amin'ny sasany; tehirizo madio ny tenanao. 23Aza misotro rano intsony fa misotroa divay kely noho ny vava-fonao sy ny fahosaosanao matetika. 24Ny fahotan'ny olona sasany miharihary ka mialoha ho amin'ny fitsarana, fa ny an'ny sasany kosa manaraka ato aoriana. 25Ary miharihary toy izany koa ny asa tsara; ary izay tsy toy izany dia tsy ho azo afenina. ¶