1Fa ny amin'ny andro sy ny fotoana, ry rahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo, 2satria ianareo mahalala marimarina fa ho avy toy ny mpangalatra amin'ny alina ny andron'ny Tompo. 3Raha misy olona manao hoe: Miadana sy mandry fahizay, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian'ny vehivavy raha miteraka, ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy. ¶ 4Fa ianareo, ry rahalahy, tsy ao amin'ny maizina, mba hahatratra anareo toy ny mpangalatra izany andro izany. 5Fa ianareo rehetra dia zanaky ny mazava sy zanaky ny andro; tsy an'ny alina na an'ny maizina isika. 6Koa dia aza mba matory toy ny sasany isika, fa aoka hiambina ka hahonon-tena. 7Fa izay matory dia matory amin'ny alina; ary izay mamo dia mamo amin'ny alina. 8Fa satria an'ny andro isika, dia aoka hahonon-tena ka hitafy ny finoana sy ny fitiavana ho fiarovan-tratra, ary ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha. 9Fa Andriamanitra tsy nanendry antsika ho amin'ny fahatezerana, fa mba hahazo famonjena amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika, 10Izay maty hamonjy antsika, mba hiara-belona aminy isika, na mahatsiaro na matory. 11Koa mifananara sy mifampahatanjaha, tahaka ny ataonareo ihany. ¶ 13ary mba hohajainareo indrindra amin'ny fitiavana izy noho ny asany. Mihavàna tsara. 14Ary mananatra anareo izahay, ry rahalahy; anaro izay tsy mitoetra tsara; omeo toky ny malemy saina; ampaherezo ny reraka; mandefera amin'ny olona rehetra. 15Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy olona; fa miezaha mandrakariva hitady izay tsara, na amin'ny namanareo na amin'ny olona rehetra. 16Mifalia mandrakariva. 17Mivavaha, ka aza mitsahatra. 18Misaora amin'ny zavatra rehetra; fa izany no sitrapon'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy ho anareo. 19Aza mamono ny Fanahy. 20Aza manao tsinontsinona ny faminaniana. 21Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara. 22Fadio ny fanao ratsy rehetra. ¶ 23Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin'ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika. 24Mahatoky Izay miantso anareo, sady Izy ihany no hanefa izany. 25Ry rahalahy, mivavaha ho anay. 26Manaova veloma ny rahalahy rehetra amin'ny fanorohana masina. 27Mampianiana anareo amin'ny Tompo aho mba hovakina amin'ny rahalahy rehetra ity epistily ity. 28Ho aminareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika. ¶