1Dia tonga teo ny mponina tao Kiriata-jearima ka nitondra ny fiaran'i Jehovah niakatra, dia nitondra azy ho ao an-tranon'i Abinadaba teo an-kavoana, ary nanamasina an'i Eleazara zanany mba hitandrina ny fiaran'i Jehovah izy. ¶ 3Ary hoy Samoela tamin'ny taranak'Isiraely rehetra: Raha miverina amin'i Jehovah amin'ny fonareo rehetra tokoa ary ianareo, dia ario hiala aminareo ny andriamani-kafa sy ireo Astarta, ka ampiomany ny fonareo ho an'i Jehovah, ary aoka Izy ihany no hotompoinareo, dia hamonjy anareo amin'ny tanan'ny Filistina Izy. 4Dia nanary ireo Bala sy Astarta ny Zanak'Isiraely ka nanompo an'i Jehovah irery ihany. 5Ary hoy Samoela: Vorio ny Isiraely rehetra ho any Mizpa, dia hivavaka amin'i Jehovah ho anareo aho. 6Dia nivory tany Mizpa izy ary nanovo rano ka nandraraka izany teo anatrehan'i Jehovah, sady nifady hanina tamin'izany andro izany izy ka nanao hoe: Efa nanota tamin'i Jehovah isika. Ary Samoela nitsara ny Zanak'Isiraely tany Mizpa. 7Ary rehefa ren'ny Filistina fa efa vory tany Mizpa ny Zanak'Isiraely, dia niakatra hamely azy ireo andrianan'ny Filistina. Ary nony nandre izany ny Zanak'Isiraely, dia raiki-tahotra izy noho ny Filistina. 8Dia hoy ny Zanak'Isiraely tamin'i Samoela: Aza mitsahatra mitaraina amin'i Jehovah Andriamanitsika ho anay ianao, mba hamonjeny anay amin'ny tanan'ny Filistina. 9Dia naka zanak'ondry mbola minono Samoela ka nanatitra azy ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah; dia nitaraina tamin'i Jehovah ho an'ny Isiraely Samoela, ary nihaino azy Jehovah. ¶ 10Ary raha mbola nanatitra ny fanatitra dorana Samoela, dia nanatona ny Filistina hiady amin'ny Isiraely; fa Jehovah nampikotrokorana mafy tamin'ny Filistina tamin'izany andro izany ka nampifanaritaka azy, dia resy teo anoloan'ny Isiraely izy. 11Ary ny lehilahy amin'ny Isiraely niala tany Mizpa, dia nanenjika ny Filistina ka namely azy mandra-pahatongany teo ambanin'i Beti-kara. 12Ary Samoela naka vato ka nanorina azy teo anelanelan'i Mizpa sy Sena, ary ny anarany nataony hoe Ebenezera; fa hoy izy: Efa novonjen'i Jehovah isika hatramin'izao. 13Dia resy ny Filistina ka tsy tafiditra teo anatin'ny fari-tanin'ny Isiraely intsony; ary ny tànan'i Jehovah namely ny Filistina tamin'ny andro rehetra niainan'i Samoela. 14Ary ny tanàna izay efa nalain'ny Filistina tamin'ny Isiraely dia azon'ny Isiraely indray, hatrany Ekrona ka hatrany Gata; ary ny faritanin'ireo dia nalain'ny Isiraely tamin'ny tanan'ny Filistina koa. Ary nihavana ny Isiraely sy ny Amorita. 15Ary Samoela nitsara ny Isiraely tamin'ny andro rehetra niainany. 16Ary nandeha isan-taona isan-taona izy nitety any Betela sy Gilgala ary Mizpa ka nitsara ny Isiraely teo amin'ireo tanàna rehetra ireo. 17Dia niverina ho any Rama indray izy, fa tao ny tranony; ary nitsara ny Isiraely tao izy sady nanorina alitara tao ho an'i Jehovah. ¶