1 Ary Samoela zaza nanao fanompoam-pivavahana tamin'i Jehovah teo anatrehan'i Ely. Ary tamin'izany andro izany efa nahàlana ny tenin'i Jehovah: tsy nisy fahitana niseho loatra. ¶ 2Ary tamin'izany andro izany, raha nandry tao amin'ny fandriany Ely (efa pahina ny masony, ka tsy nahita izy), 3sady tsy mbola maty ny jiron'Andriamanitra, ary Samoela efa nandry tao amin'ny tempolin'i Jehovah, izay nisy ny fiaran'Andriamanitra, 4dia niantso an'i Samoela Jehovah, ary izy namaly hoe: Inty aho. 5Dia nihazakazaka nankeo amin'i Ely izy ka nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Fa hoy Ely: Tsy niantso aho, andeha mandry ihany. Dia lasa nandry izy. 6Ary Jehovah niantso azy indray hoe: Ry Samoela! Dia nifoha Samoela ka nankao amin'i Ely ary nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Fa hoy izy: Tsy niantso aho, anaka; andeha mandry ihany. 7Ary Samoela tsy mbola nahalala an'i Jehovah, sady tsy mbola nanehoana ny tenin'i Jehovah izy. ¶ 8Ary Jehovah niantso an'i Samoela indray fanintelony. Dia nifoha izy ka nankao amin'i Ely ary nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Dia fantatr'i Ely fa Jehovah no niantso ny zaza. 9Ary hoy Ely tamin'i Samoela: Andeha mandry ihany; ary raha tàhiny miantso anao Izy, dia valio hoe: Mitenena, Jehovah ô; fa mihaino ny mpanomponao. Dia lasa Samoela nandry tao amin'ny fandriany. 10Ary avy Jehovah, dia nitsangana ka niantso toy ny teo ihany hoe: Ry Samoela, ry Samoela ô! Dia namaly Samoela hoe: Mitenena, fa mihaino ny mpanomponao. 11Ary hoy Jehovah tamin'i Samoela: Indro, Izaho hanao zavatra eo amin'ny Isiraely, ka izay rehetra mandre izany, dia hangintsingintsina ny sofiny roa. 12Amin'izany andro izany dia hotanterahiko amin'i Ely izay zavatra rehetra voalazako ny amin'ny taranany: hatomboko izany, ka dia hotanterahiko. 13Fa efa nambarako taminy fa hotsaraiko mandrakizay ny taranany noho ny heloka izay fantany, satria ny zanany nahatonga ozona ho an'ny tenany, nefa tsy nosakanany. 14Koa izany no nianianako ny amin'ny taranak'i Ely fa tsy hisy fanatitra hahafaka ny helony mandrakizay. 15Ary nandry Samoela mandra-pahamarain'ny andro, dia namoha ny varavaran'ny tranon'i Jehovah izy. Ary Samoela natahotra hilaza ny fahitana tamin'i Ely. 16Fa Ely niantso an'i Samoela ka nanao hoe: Ry Samoela, zanako! Dia hoy izy: Inty aho. 17Ary hoy izy: Inona no zavatra nolazain'i Jehovah taminao? masìna ianao, aza afeninao ahy; hataon'Andriamanitra aminao anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha nisy afeninao ahy ny zavatra rehetra nolazainy taminao. 18Dia nambaran'i Samoela azy avokoa ny zavatra rehetra, ka tsy nisy nafeniny azy. Dia hoy Ely: Izy no Jehovah, aoka Izy hanao izay sitraky ny fony. ¶ 19Ary nitombo Samoela, sady nomba azy Jehovah, ka tsy nisy navelany ho raraka an-tany ny teniny. 20Ary ny Isiraely rehetra hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba nahalala fa efa mpaminanin'i Jehovah tokoa Samoela. 21Dia niseho tao Silo indray Jehovah; fa niseho tamin'i Samoela tao Silo Jehovah tamin'ny teniny. ¶