1 Ary Davida niala teo ka nandositra nankany amin'ny zohin'i Adolama; ary nony nandre izany ny rahalahiny sy ny mpianakavin-drainy, dia nidina tany aminy ireo. 2Ary izay mahantra rehetra sy izay mpitrosa rehetra ary izay manana alahelo am-po rehetra dia nivory tao aminy, ary izy no tonga mpifehy azy; ka dia tonga tokony ho efa-jato lahy ny tao aminy. 3Ary Davida niala tao nankany Mizpa any Moaba ka nanao tamin'ny mpanjakan'i Moaba hoe: Masìna ianao, avelao ny raiko sy ny reniko ho avy atỳ hitoetra etỳ aminao ambara-pahafantatro izay hataon'Andriamanitra amiko. 4Ary dia nentiny ho eo anatrehan'ny mpanjakan'i Moaba izy ireo ka nonina teo aminy tamin'ny andro rehetra nitoeran'i Davida tao amin'ny batery fiarovana. 5Ary hoy Gada mpaminany tamin'i Davida: Aza mitoetra ao amin'ny batery fiarovana; fa mialà, ka mankanesa any amin'ny tanin'ny Joda. Dia nandeha Davida ka tonga tany an'ala Hareta. 6Ary ren'i Saoly fa hita Davida sy ny olona nanaraka azy (nipetraka tao Gibea teo ambanin'ny hazo tamariska teo an-kavoana Saoly tamin'izay, sady nisy lefona teny an-tànany, ary ny mpanompony rehetra nitsangana teo anoloany), 7dia hoy Saoly tamin'ny mpanompony izay teo anoloany: Henoy kely, ry taranak'i Benjamina: Moa ianareo rehetra koa mba homen'ny zanak'i Jese saha sy tanim-boaloboka, ary mba hataony mpifehy arivo sy mpifehy zato ianareo rehetra, 8no dia miray tetika hanohitra ahy ianareo rehetra, ka tsy nisy nanambara tamiko fa ny zanako nanao fanekena tamin'ny zanak'i Jese, ary tsy nisy nalahelo ahy akory ianareo, na nanambara tamiko fa ny zanako efa nanome fo ny mpanompoko ho mpanotrika ahy tahaka ny amin'izao anio izao? 9Ary Doega Edomita, mpifehy ny mpanompon'i Saoly, namaly ka nanao hoe: Nahita ny zanak'i Jese tonga tany Noba aho tany amin'i Ahimeleka, zanak'i Ahitoba. 10Ary Ahimeleka nanontany ho azy tamin'i Jehovah sady nanome azy vatsy; ary nomeny azy koa ny sabatr'i Goliata Filistina. 11Ary ny mpanjaka dia naniraka naka an'i Ahimeleka mpisorona, zanak'i Ahitoba, sy ny tarana-drainy rehetra, izay mpisorona, tao Noba; ka dia tonga tany amin'ny mpanjaka izy rehetra. 12Ary hoy Saoly: Mba mihainoa ianao, ry zanak'i Ahitoba. Ary izy namaly hoe: Inty aho, tompoko. 13Ary hoy Saoly taminy: Nahoana ianareo no niray tetika hanohitra ahy, dia ianao sy ny zanak'i Jese, tamin'ilay nanomezanao azy mofo sy sabatra ary nanontanianao ho azy tamin'Andriamanitra hahatongavany ho mpanotrika ahy tahaka ny amin'izao anio izao? 14Ary Ahimeleka namaly ny mpanjaka hoe: Iza moa amin'ny mpanomponao rehetra no mba mahatoky tahaka an'i Davida, izay vinanton'ny mpanjaka sady mpanolo-tsaina anao sy malaza ao an-tranonao? 15Ary vao izay va no nanontaniako ho azy tamin'Andriamanitra? Sanatria ahy izany! Aoka ny mpanjaka tsy hanome tsiny ny mpanompony na ny tarana-draiko rehetra; fa ny mpanomponao tsy nahalala na inona na inona ny amin'izany rehetra izany, na kely na be. 16Fa hoy ny mpanjaka: Hatao maty tokoa ianao, ry Ahimeleka, dia ianao sy ny tarana-drainao rehetra. 17Ary hoy ny mpanjaka tamin'ny mpiambina izay teo anoloany: Mihodina, ka vonoy ny mpisoron'i Jehovah; fa ny tànan'ireo koa momba an'i Davida, satria fantany ihany fa nandositra izy, nefa tsy nambarany tamiko izany. Fa ny mpanompon'ny mpanjaka tsy nety naninjitra ny tànany hamely ny mpisoron'i Jehovah. 18Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Doega: Mihodina ianao, ka asio ny mpisorona. Ary Doega Edomita nihodina ka namely ny mpisorona, dia nahafaty olona dimy amby valo-polo izay nisalotra efoda rongony fotsy. 19Dia nasiany tamin'ny lelan-tsabatra koa Noba, tanànan'ny mpisorona, dia ny lehilahy sy ny vehivavy, ny ankizy madinika sy ny zaza minono, ny omby sy ny boriky ary ny ondry aman'osy. ¶ 20Ary ny anankiray tamin'ny zanak'i Ahimeleka, zanak'i Ahitoba, Abiatara no anarany, dia afa-nandositra ka nanaraka an'i Davida. 21Ary Abiatara nanambara tamin'i Davida ny namonoan'i Saoly ny mpisoron'i Jehovah. 22Ary hoy Davida tamin'i Abiatara: Fantatro androtr'iny ihany fa tao Doega Edomita ka hilaza amin'i Saoly tokoa; koa izaho no anton'ny nahafaty ny olona rehetra tamin'ny tarana-drainao. 23Tomoera etỳ amiko, ka aza matahotra; fa izay mikatsaka ny aiko no mikatsaka ny ainao koa; fa eto amiko no hahavoavonjy anao. ¶