1Ary tamin'ny indray andro dia hoy Jonatana, zanak'i Saoly, tamin'ny zatovo, mpitondra ny fiadiany: Andeha isika hankany amin'ny miaramilan'ny Filistina izay erỳ an-dafy erỳ. Nefa tsy nilaza tamin-drainy izy. 2Ary Saoly nitoetra tao an-tsisin'i Gibea teo ambanin'ny hazo ampongabendanitra any Migrona; ary ny vahoaka teo aminy dia tokony ho enin-jato lahy; 3ary teo koa nisalotra efoda Ahia, zanak'i Ahitoba, rahalahin'i Ikaboda, zanak'i Finehasa, zanak'i Ely, mpisoron'i Jehovah tany Silo. Fa tsy fantatry ny olona fa lasa Jonatana. ¶ 4Ary teo an-daniny roa teo an-tenatenan'ny hadilanana izay nitadiavan'i Jonatana hankanesana ao amin'ny miaramilan'ny Filistina dia nisy harambato kitso loha: ny anaran'ny anankiray dia Bozeza, ary ny anaran'ny anankiray kosa Sene. 5Ny iray amin'ireo harambato ireo dia nijoro avo teo andaniny avaratra manandrify an'i Mikmasy, ary ny iray kosa nijoro avo teo atsimo manandrify an'i Gibea. 6Ary hoy Jonatana tamin'ny zatovo, mpitondra ny fiadiany: Andeha isika hankany amin'ny miaramilan'ireo tsy mifora ireo; angamba homba antsika Jehovah, fa tsy misy mahasakana an'i Jehovah tsy hamonjy, na amin'ny maro, na amin'ny vitsy. 7Dia hoy kosa ny mpitondra ny fiadiany taminy: Ataovy izay rehetra ao am-ponao; mandrosoa ihany; indro, hanaraka anao aho araka ny sitraponao. 8Ary hoy Jonatana: Indro, handroso ho amin'ireo olona ireo isika ka hiseho aminy. 9Ary raha hoy izy: Andraso mandra-pahatonganay any aminareo, dia hitoetra ao amin'izay itoerantsika ihany isika ka tsy hiakatra eny aminy. 10Fa raha hoy kosa izy: Miakara etỳ aminay, dia hiakatra isika, fa efa natolotr'i Jehovah eo an-tanantsika izy; ary izany no ho famantarana ho antsika. 11Dia niseho tamin'ny miaramilan'ny Filistina izy roa lahy, ary hoy ny Filistina: Indreo, misy Hebreo mifongatra avy any an-davaka niereny. 12Ary ny miaramila namaly an'i Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany hoe: Miakara etỳ aminay, dia hanehoanay zavatra ianareo. Ary hoy Jonatana tamin'ny mpitondra ny fiadiany: Manaraha ahy, fa efa natolotr'i Jehovah eo an-tànan'ny Isiraely izy. 13Ary Jonatana nananika, nandady tongotra aman-tanana, ary nanaraka azy ny mpitondra ny fiadiany. Dia lavo teo anatrehan'i Jonatana ny Filistina, ary ny mpitondra ny fiadiany namono teo aoriany. 14Ary tokony ho roa-polo lahy no matiny aloha, izay novonoin'i Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany tao anatin'ny tany tokony ho antsasaky ny vavasa iray akera. 15Koa nisy hovitra tao amin'ny toby tany an-tsaha sy tamin'ny vahoaka rehetra; ary ny teo amin'ny miaramila sy ny mpandrava nangovitra koa, ary nihorohoro ny tany, ka dia nisy fampangovitana avy tamin'Andriamanitra. 16Ary ny mpitilin'i Saoly ao Gibean'ny Benjamina dia nitazana, ka, indro, niely ny vahoaka sady nifanaritaka be ihany. ¶ 18Dia hoy Saoly tamin'i Ahia: Ento etỳ ny fiaran'Andriamanitra (fa teo amin'ny Zanak'Isiraely ny fiaran'Andriamanitra fahizany). 19Ary raha Saoly mbola niresaka tamin'ny mpisorona, dia nandroso sy nitombo ny tabataba terỳ an-tobin'ny Filistina. Ary hoy Saoly tamin'ny mpisorona: Aoka ihany. 20Ary Saoly sy ny vahoaka rehetra izay teo aminy nivory, ka dia tonga tany amin'ny ady izy, ary indreo ny Filistina nifamely tamin'ny sabany, dia izy samy izy, ka nifanaritaka be ihany. 21Ary ny Hebreo izay teo amin'ny Filistina taloha ka niara-niakatra taminy ho any an-toby avy tamin'ny tany manodidina dia nikambana tamin'ny Isiraely izay teo amin'i Saoly sy Jonatana koa. 22Ary ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely izay niery tany amin'ny tany havoan'i Efraima, raha nandre ny nandosiran'ny Filistina, dia nanenjika azy fatratra koa tamin'ny ady. 23Ary Jehovah namonjy ny Isiraely tamin'izany andro izany; ary tafahoatra any Betavena ny ady. 24Ary ory ny lehilahy amin'ny Isiraely tamin'izany andro izany, nefa Saoly efa nampianiana ny olona hoe: Ho voaozona anie izay olona homan-kanina anio tontolo andro mandra-pamaliko ny fahavaloko. Dia tsy nisy olona nitendry hanina na dia iray akory aza. 25Ary ny olona rehetra amin'ny tany dia niditra ny ala; ary nisy tantely teny ambonin'ny tany. 26Ary rehefa tonga teo anaty ala ny olona, indro, nisy tantely nitsororoka; fa tsy nisy olona sahy nanainga ny tànany ho amin'ny vavany, fa natahotra ny fianianana izy. 27Fa Jonatana kosa tsy nandre ny nampianianan-drainy ny olona; koa dia narosony ny loha-tehiny teny an-tànany ka natsobony teo amin'ny tantely, ary nataony teo am-bavany ny tànany, ka dia nazava ny masony. 28Ary nisy olona anankiray niteny taminy ka nanao hoe: Rainao anie ka efa nampianiana mafy ny olona hoe: Ho voaozona anie izay olona homan-kanina anio; ka efa reraka ny olona. 29Dia hoy Jonatana: Ikaky efa nampiditra loza tamin'ny tany; koa jereo, masìna ianareo, he! izato fahazavan'ny masoko tamin'ilay nanandramako kely tamin'ity tantely ity. 30Ka mainka fa raha navela hihinanan'ny olona ny babo azony tamin'ny fahavalony, tsy ho nahafatesana be lavitra va ny Filistina? 31Ary izy ireo namely ny Filistina tamin'izany andro izany hatrany Mikmasy ka hatrany Aialona, ary reraka indrindra ny olona. 32Dia nanaovan'ny olona an-kazakazaka ny babo, ka naka ondry aman'osy sy omby ary zanak'omby izy, dia namono azy teo amin'ny tany, ka dia nohanin'ny olona mbamin'ny ràny. 33Ary nisy nanambara tamin'i Saoly hoe: Indro, ny olona manota amin'i Jehovah, fa mihinana zavatra mbamin'ny ràny izy. Ary hoy Saoly: Efa diso ianareo, manakodiava vato lehibe etỳ amiko anio. 34Ary hoy koa izy: Mieleza eny amin'ny olona ianareo, ka lazao aminy hoe: Samia mitondra ny ombiny etỳ amiko, ary samia mitondra ny ondriny, ka vonoy eto izy, dia hano, ary aza manota amin'i Jehovah amin'ny fihinanana zavatra mbamin'ny ràny. Ary ny vahoaka rehetra samy nitondra ny ombiny niaraka taminy tamin'izany alina izany ka namono azy teo. 35Ary Saoly nanao alitara ho an'i Jehovah; io no alitara voalohany naoriny ho an'i Jehovah. 36Ary hoy Saoly: Andeha isika hidina hanenjika ny Filistina anio alina ka hamabo azy ambara-pahazavan'ny andro, ary tsy hasiantsika miangana izy. Dia hoy ny olona: Ataovy izay sitrakao. Fa hoy ny mpisorona: Andeha isika hanatona an'Andriamanitra etoana. 37Ary Saoly nanontany tamin'Andriamanitra hoe: Hidina hanenjika ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tànan'ny Isiraely va izy? Fa tsy namaly azy akory Izy androtr'iny. 38Ary hoy Saoly: Manatona etỳ, ianareo loholona rehetra, ary fantaro ka izahao izay nahatonga izao fahotana androany izao? 39Fa raha velona koa Jehovah, Izay Mpamonjy ny Isiraely, dia na amin'i Jonatana zanako aza no hahitana izany, dia ho faty tokoa izy. Fa tsy nisy namaly azy ny vahoaka rehetra. 40Dia hoy kosa izy tamin'ny Isiraely rehetra: Hianareo no aoka ho an-daniny, ary izaho sy Jonatana zanako kosa ho an-daniny. Ary hoy ny vahoaka tamin'i Saoly: Ataovy izay sitrakao. 41Dia hoy Saoly tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Asehoy izay marina. Ary Jonatana sy Saoly no notànany, fa afaka ny olona. 42Ary hoy Saoly; Manaova filokana ny amiko sy Jonatana zanako. Ary Jonatana no notànany. 43Dia hoy Saoly tamin'i Jonatana: Ambarao amiko izay nataonao. Ary Jonatana nanambara taminy hoe: Nanandrana tantely kely monja tamin'ny tendron'ny tehina tetỳ an-tanako aho, ary, indro, tsy maintsy ho faty aho. 44Dia hoy Saoly: Hataon'Andriamanitra toy izany anie, eny mihoatra noho izany aza, raha tsy hatao maty tokoa ianao, ry Jonatana. 45Fa hoy ny vahoaka tamin'i Saoly: Ho faty va Jonatana, izay nanao izao famonjena lehibe izao tamin'ny Isiraely? Sanatria izany! Raha velona koa Jehovah, tsy hisy na dia ny singam-bolony iray akory aza ho latsaka amin'ny tany, fa niara-niasa tamin'Andriamanitra izy androany. Ary ny vahoaka namonjy an'i Jonatana, ka dia tsy maty izy. 46Ary Saoly niakatra rehefa avy nanenjika ny Filistina; ary ny Filistina kosa dia lasa nankany amin'ny taniny. ¶ 48Ary namory miaramila izy, dia namely ny Amalekita ka namonjy ny Isiraely tamin'ny tànan'izay namaboazy. 49Ary izao no zanakalahin'i Saoly: Jonatana sy Jisvy sy Malkisoa; izao kosa no anaran'ny zananivavy roa: ny anaran'ny vavimatoa Meraba, ary ny anaran'ny faravavy Mikala. 50Ary ny anaran'ny vadin'i Saoly dia Ahinoama, zanakavavin'i Ahimaza: ary ny anaran'ny komandin'ny miaramilany dia Abnera, zanak'i Nera, rahalahin-drain'i Saoly. 51Ary Kisy no rain'i Saoly; ary Nera, rain'i Abnera, dia zanak'i Abiela. 52Ary mafy ny ady tamin'ny Filistina tamin'ny andron'i Saoly rehetra; koa raha nisy olona matanjaka sy mahery hitan'i Saoly, dia nalainy ho azy. ¶