1 Petera, Apostolin'i Jesosy Kristy, mamangy ny mpivahiny monina any am-pielezana any Ponto, Galatia, Kapadokia, Asia sy Bitynia, dia olom-boafidy 2araka ny fahalalana rahateo, izay an'Andriamanitra Ray, amin'ny fanamasinan'ny Fanahy, ho amin'ny fanarahana sy ny famafazan'ny ran'i Jesosy Kristy: hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana. 3Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay niteraka antsika indray araka ny haben'ny famindram-pony ho amin'ny fanantenana velona tamin'ny nitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty, 4ho amin'ny lova tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona, voatahiry any an-danitra ho anareo, 5izay arovan'ny herin'Andriamanitra amin'ny finoana ho amin'ny famonjena efa vonona haseho any am-parany. 6Izany no iravoravoanareo, na dia ampalahelovina vetivety ankehitriny amin'ny fakam-panahy maro samy hafa aza ianareo, raha tsy maintsy hisy izany, 7mba ho hita ho fiderana sy voninahitra ary fankalazana ny fizahan-toetra ny finoanareo (izay tsara lavitra noho ny volamena mety ho simba, na dia voazaha toetra tamin'ny afo aza), dia amin'ny hisehoan'i Jesosy Kristy; 8Izay, na dia tsy mbola hitanareo aza, dia tianareo, ary na dia tsy hitanareo ankehitriny aza, anefa, satria inoanareo, dia iravoravoanareo amin'ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra, 9mandray ny anton'ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahy. 10Ny amin'izany famonjena izany dia notadiavin'ny mpaminany sy nokatsahiny fatratra, dia ireo efa naminany ny fahasoavana ho anareo; 11eny, nokatsahiny izay andro na izay toetry ny andro notondroin'ny Fanahin'i Kristy ao anatiny, raha nambarany rahateo ny fijalian'i Kristy sy ny voninahitra manaraka izany. 12Ary naseho tamin'ireo fa tsy ho azy, fa ho anareo no nanompoany ny amin'izany zavatra izany, izay voalaza aminareo ankehitriny, tamin'ny tenin'ireo nitory ny filazantsara taminareo amin'ny Fanahy Masina, Izay nirahina avy tany an-danitra; izany zavatra izany dia tian'ny anjely hodinihina. ¶ 14tahaka ny zanaka manoa, tsy mitondra tena araka ny filanareo fahiny tamin'ny tsi-fahalalanareo; 15fa araka ny fahamasinan'ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa ianareo amin'ny fitondran-tena rehetra, 16satria voasoratra hoe: "Ho masina ianareo, satria masina Aho" (Lev. 11.44). 17Ary raha Ilay tsy mizaha tavan'olona, fa mitsara araka ny asan'izy rehetra, no antsoinareo hoe Ray, dia mitondrà tena amin'ny fahatahorana mandritra ny andron'ny fivahinianareo etỳ ; 18fa fantatrareo fa tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy ny volamena, no nanavotana anareo tamin'ny fitondran-tena adala, izay azonareo tamin'ny nentin-drazana, 19fa ny rà soan'i Kristy, toy ny ran'ny zanak'ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina; 20Izay fantatra rahateo, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao, fa efa naseho tamin'izao andro farany izao noho ny aminareo 21Izay mino an'Andriamanitra amin'ny alalany, dia Ilay nanangana Azy tamin'ny maty ka nanome voninahitra Azy,- mba hiorenan'ny finoanareo sy ny fanantenanareo amin'Andriamanitra. 22Satria efa nodiovinareo ny fanahinareo tamin'ny fanarahana ny fahamarinana ho amin'ny fitiavan-drahalahy tsy miangatra dia mifankatiava fatratra amin'ny fo; 23fa efa teraka indray ianareo, tsy tamin'ny voa mety ho lò, fa tamin'ny tsy mety ho lò, dia ny tenin'Andriamanitra, izay velona sady maharitra. 24Fa "ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, Ary izay mety ho voninahiny dia tahaka ny vonin'ny ahitra. Malazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny; 25Fa ny tenin'ny Tompo maharitra mandrakizay" (Isa. 40.6 - 8). Ary izany no tenin'ny filazantsara izay notorina taminareo. ¶