1 Ary Elia Tisbita, isan'ny nivahiny tany Gileada, nilaza tamin'i Ahaba hoe: Raha velona koa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay itsanganako eo anatrehany, dia tsy hisy ando na ranonorana akory amin'izao taona izao, raha tsy araka ny teniko ihany. 2Ary ny tenin'i Jehovah tonga taminy nanao hoe: 3Mialà eto ianao, dia miantsinanàna ka miere any anilan'ny renirano Kerita, izay any atsinanan'i Jordana. 4Koa ny renirano no hisotroanao, ary ny goaika efa nodidiako hamelona anao any. 5Dia lasa izy ka nanao araka ny tenin'i Jehovah; fa nandeha izy ka nititra teo anilan'ny renirano Kerita any atsinanan'i Jordana. 6Ary ny goaika nitondra mofo sy hena ho azy isa-maraina ary mofo sy hena isan-kariva, ary ny rano tamin'ny renirano no nisotroany. 7Ary nony ela, dia ritra ny renirano noho ny tsi-fisian'ny ranonorana tamin'ny tany. 8Ary ny tenin'i Jehovah tonga taminy ka nanao hoe: 9Miaingà ka mankanesa any Zarefata, izay naman'i Sidona, ary mitoera any; fa, indro, misy vehivavy mpitondratena any izay notendreko hamelona anao. 10Dia niainga izy ka nankany Zarefata. Ary nony mby teo am-bavahadin'ny tanàna izy, dia, indro, nisy vehivavy mpitondratena nanangona kitay hazo teo; ary niantso azy Elia ka nanao hoe: Masìna ianao. itondray rano kely amin'ny fisotroana aho mba hosotroiko. 11Ary nony lasa naka ravehivavy, dia miantso azy Elia ka nanao hoe: Masìna ianao, itondray mofo kely koa eny an-tananao aho. 12Fa hoy ravehivavy: Raha velona koa Jehovah Andriamanitrao, tsy manana mofo na dia iray akory aza aho, fa koba kely eran-tànan'ila ao amin'ny barika sy diloilo kely foana ao amin'ny tavoara; ary, he! maka tapa-kazo roa aho izao, ka hiditra hanamboatra ireo hohaninay mianaka, dia ho faty izahay. 13Fa hoy Elia taminy: Aza matahotra, fa andeha miditra, ka manaova araka izany lazainao izany; nefa anaovy mofo kely ihany aho aloha, ka ento etỳ amiko, ary rehefa izany, dia vao manaova ho anao sy ny zanakao koa. 14Fa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Tsy ho lany ny koba ao amin'ny barika, ary tsy ho ritra ny diloilo ao amin'ny tavoara mandra-pihavin'ny andro handatsahan'i Jehovah ranonorana amin'ny tany. 15Dia nandeha ravehivavy ka nanao araka ny tenin'i Elia, ary izy sy ravehivavy mbamin'ny ankohonany dia nanan-kohanina elaela ihany. 16Nefa tsy lany ny koba tao amin'ny barika, ary tsy ritra ny diloilo tao amin'ny tavoara, araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Elia. 17Ary nony afaka izany, dia narary ny zana-dravehivavy tompon-trano, ary mafy indrindra ny aretiny, ka efa tsy nisy fofonaina intsony izy. 18Dia hoy ravehivavy tamin'i Elia: Moa mifaninona akory izaho sy ianao, ry lehilahin'Andriamanitra ô ? Tonga atỳ amiko va ianao hampahatsiaro ny fahotako ka hahafaty ny zanako ? 19Ary hoy Elia taminy: Atolory ahy ny zanakao. Dia naka ny zaza teo an-tratran-dreniny izy ka nitondra azy niakatra ho any an-efi-trano ambony izay nitoerany, ary nampandry azy teo am-pandriany. 20Dia nitaraina tamin'i Jehovah izy ka nanao hoe: Jehovah Andriamanitro ô, efa nahatonga loza koa tamin'ny mpitondratena izay nivahiniako va Hianao ka nahafaty ny zanany? 21Dia niampatra intelo tamin'ny zaza izy sady nitaraina tamin'i Jehovah hoe: Jehovah Andriamanitro ô, mifona aminao aho, aoka hody aminy indray ny ain'ity zaza ity. 22Ary Jehovah nihaino ny feon'i Elia, dia nody taminy indray ny ain'ny zaza, ka dia velona izy. 23Ary Elia nandray ny zaza ka nitondra azy nidina avy tao an-efi-trano ambony ho ao anaty trano, dia natolony an-dreniny, ka hoy izy: Inty, fa velona ny zanakao.. 24Ary hoy ravehivavy tamin'i Elia: Ankehitriny izao dia fantatro fa lehilahin'Andriamanitra tokoa ianao, ary marina ny tenin'i Jehovah aloaky ny vavanao. ¶