1 Ary ny amin'ny hena aterina amin'ny sampy, dia fantatsika fa manana fahalalana isika rehetra. Ny fahalalana mampieboebo; fa ny fitiavana no mampandroso. 2Fa raha misy manao azy hahalala, dia tsy mbola mahalala araka izay tokony ho fantany akory izy. 3Fa raha misy tia an'Andriamanitra, dia izy no fantany. 4Ary ny amin'ny mihinana ny hena aterina amin'ny sampy, dia fantatsika fa tsinontsinona akory ny sampy amin'izao tontolo izao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Iray ihany. 5Fa na dia misy aza atao hoe andriamanitra, na any an-danitra, na etỳ an-tany (toy ny misy andriamanitra maro sy tompo maro); 6nefa amintsika kosa dia Andriamanitra iray ihany, dia ny Ray, Izay nihavian'ny zavatra rehetra, ary ho Azy isika; ary iray ihany ny Tompo, dia Jesosy Kristy, Izay nahariana ny zavatra rehetra sady nahariana antsika koa. 7Kanefa tsy ary manana izany fahalalana izany avokoa ny olona rehetra; fa ny sasany, satria zatra amin'ny sampy mandraka ankehitriny izao, dia homana ny hena ka mahatsiaro azy ho zavatra naterina tamin'ny sampy; ka dia voaloto ny fieritreretany, satria malemy. 8Fa ny hanina tsy hampaninona antsika amin'Andriamanitra; fa na dia tsy homana aza isika, dia tsy matiantoka, ary na dia homana kosa aza isika, dia tsy mahazo tombony. 9Nefa tandremo, fandrao izany fahafahanareo izany ho tonga fahatafintohinana ho an'ny malemy. 10Fa raha misy mahita anao izay manam-pahalalana mipetraka mihinana ao amin'ny tempolin'ny sampy, tsy hampahasahy ny fieritreretan'ny malemy hihinana izay hena aterina amin'ny sampy koa va izany? 11Fa verin'ny fahalalanao ny malemy, dia ny rahalahy izay navotan'i Kristy tamin'ny fahafatesana? 12Fa raha manota toy izany amin'ny rahalahy ianareo ka manimba ny fieritreretan'ny malemy, dia manota amin'i Kristy ianareo. 13Koa raha ny hanina no mahatafintohina ny rahalahiko, dia tsy hihinan-kena akory aho mandrakizay, fandrao mahatafintohina ny rahalahiko. ¶