1 Misy aminareo va, raha manana ady amin'ny namany, sahy handeha hotsarain'ny olona tsy marina, fa tsy eo anatrehan'ny olona masina? 2Sa tsy fantatrareo fa ny olona masina dia hitsara izao tontolo izao? Ary raha hitsara izao tontolo izao ianareo, moa tsy miendrika hitsara izay zavatra madinika indrindra va ianareo? 3Tsy fantatrareo va fa hitsara anjely isika? mainka fa izay zavatra momba izao fiainana izao. 4Koa raha misy hotsarainareo ny amin'ny momba izao fiainana izao, moa izay ataon'ny fiangonana ho tsinontsinona va no tendrenareo ho mpitsara? 5Hampahamenatra anareo no itenenako izany. Hay! dia tsy misy olon-kendry aminareo, na dia iray akory aza, izay mahay manamboatra ny adin'ny rahalahiny? 6Fa ny rahalahy mandeha hiady amin'ny rahalahiny, na dia hotsarain'ny tsy mino aza. 7Ary ankehitriny dia kilema aminareo ny anananareo ady amin'ny namanareo. Nahoana no tsy aleo mandefitra ny tsy rariny aza ianareo? Nahoana no tsy aleo maharitra hambakaina aza ianareo? 8Kanjo ianareo indray no manao izay tsy marina ka manambaka na dia ny rahalahinareo aza. 9Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra? Aza mety hofitahina ianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin'olona sy ny sodomita 10sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra. 11Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa ianareo, efa nohamasinina ianareo, efa nohamarinina ianareo, tamin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompo sy tamin'ny Fanahin'Andriamanitsika. ¶ 13Ny hanina dia ho an'ny kibo, ary ny kibo ho an'ny hanina; nefa samy holevonin'Andriamanitra izy roroa. Fa ny tena kosa dia tsy ho an'ny fijangajangana, fa ho an'ny Tompo; ary ny Tompo ho an'ny tena. ¶ 14Ary Andriamanitra efa nanangana ny Tompo sady hanangana antsika koa amin'ny heriny. 15Tsy fantatrareo va fa momba ny tena'i Kristy ny tenanareo? Moa hanala ny momba ny tenan'i Kristy va aho ka hanolotra izany ho momba ny tenan'ny vehivavy janga? Sanatria izany! 16Moa tsy fantatrareo va fa izay miray amin'ny vehivavy janga dia tena iray aminy? fa hoy Andriamanitra: Ho nofo iray ihany izy roroa (Gen. 2. 24). 17Fa izay miray amin'ny Tompo kosa dia fanahy iray aminy. 18Mandosira ny fijangajangana. Izay fahotana rehetra ataon'ny olona dia eny ivelan'ny tena ihany; fa ny mpijangajanga kosa dia manota mihatra amin'ny tenany. 19Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin'ny Fanahy Masina, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin'Andriamanitra? ka tsy tompon'ny tenanareo ianareo. 20Fa olom-boavidy ianareo, koa dia mankalazà an'Andriamanitra amin'ny tenanareo. ¶