1 Paoly, voantso ho Apostolin'i Jesosy Kristy noho ny sitrapon'Andriamanitra, ary Sostena rahalahy, 2mamangy ny fiangonan'Andriamanitra any Korinto, dia izay nohamasinina ao amin'i Kristy Jesosy, olona voantso sady masina, mbamin'izay rehetra miantso ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika eny amin'ny tany rehetra, dia azy sy antsika: 3ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo. 4Misaotra an'Andriamanitro mandrakariva ny aminareo aho noho ny fahasoavan'Andriamanitra izay nomena anareo ao amin'i Kristy Jesosy, 5dia ny nampananana harena anareo ao aminy amin'ny zavatra rehetra, na ny teny rehetra, na ny fahalalana rehetra, 6araka ny niorenan'ny filazana an'i Kristy teo aminareo, 7ka dia tsy latsaka amin'ny fanomezam-pahasoavana rehetra ianareo, miandry ny fisehoan'i Jesosy Kristy Tompontsika, 8Izay hampiorina anareo koa hatramin'ny farany, ka dia tsy hanan-tsiny ianareo amin'ny andron'i Jesosy Kristy Tompontsika. 9Mahatoky Andriamanitra, Izay nahatonga ny fiantsoana anareo hanananareo firaisana amin'ny Zanany, dia Jesosy Kristy Tompontsika. ¶ 11Fa efa voalazan'ny avy amin'ny ankohonan'i Kloa tamiko ny amin'ny toetrareo, ry rahalahiko, fa misy fifampiandaniana eo aminareo. 12Izao anefa no anaovako izany: Hianareo samy manao hoe: Izaho an'i Paoly, na: Izaho an'i Apolosy, na: Izaho an'i Kefasy, na: Izaho an'i Kristy. 13Voazarazara va Kristy? Paoly va no voahombo tamin'ny hazo fijaliana hamonjy anareo, sa ho amin'ny anaran'i Paoly no nanaovam-batisa anareo? 14Misaotra an'Andriamanitra aho fa tsy nisy nataoko batisa ianareo afa-tsy Krispo sy Gaio, 15fandrao misy milaza fa efa natao batisa ho amin'ny anarako ianareo. 16Nefa mba efa nanao batisa ny ankohonan'i Stefanasy koa aho; afa-tsy ireo dia tsy hitako izay nataoko batisa. 17Fa Kristy tsy naniraka ahy hanao batisa, fa hitory ny filazantsara, tsy tamin'ny teny fahendrena, fandrao ho foana ny hazo fijalian'i Kristy. 18Fa ny teny ny amin'ny hazo fijaliana dia fahadalana amin'izay ho very, fa herin'Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena. 19Fa voasoratra hoe: Hofoanako ny fahendren'ny hendry, Ary holaviko ny fahalalan'ny mahalala (Isa. 29. 14). 20Aiza ny hendry? Aiza ny mpanora-dalàna? Aiza ny mpiady hevitra avy amin'izao tontolo izao? Tsy nampodin'Andriamanitra ho fahadalana va ny fahendren'izao tontolo izao? 21Fa satria, na dia naseho aza ny fahendren'Andriamanitra, ny fahendrena dia tsy nahatonga izao tontolo izao hahalala an'Andriamanitra, ka dia ny fahadalan'ny fitorian-teny no sitrak'Andriamanitra hamonjeny izay mino; 22fa ny Jiosy mila famantarana, ary ny jentilisa mitady fahendrena, 23fa izahay kosa mitory an'i Kristy voahombo tamin'ny hazo fijaliana, dia fahatafintohinana amin'ny Jiosy ary fahadalana amin'ny jentilisa, 24fa amin'izay voantso kosa, na Jiosy na jentilisa, dia Kristy, Izay herin'Andriamanitra sy fahendren'Andriamanitra. 25Fa ny fahadalan'Andriamanitra dia hendry noho ny olona; ary ny fahalemen'Andriamanitra mahery noho ny olona. 26Fa hevero ny fiantsoana anareo, ry rahalahy, fa tsy firy no olon-kendry araka ny nofo, tsy firy no olona mahery, tsy firy no avo razana; 27fa ny adala amin'izao tontolo izao no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; ary ny malemy amin'izao tontolo izao no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny mahery; 28ary ny iva razana amin'izao tontolo izao sy izay fanevateva no nofidin'Andriamanitra, dia ny atao ho tsy misy aza, mba hahafoana ny misy, 29mba tsy hisy nofo hahazo mirehareha eo anatrehan'Andriamanitra. 30Fa avy aminy no nanaovana anareo ho ao amin'i Kristy Jesosy, Izay nataon'Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana sy fahamasinana ary fanavotana ho antsika, 31mba ho araka ny voasoratra hoe: Izay mirehareha, aoka Jehovah no ho reharehany (Jery. 9. 23). ¶