1 Ary ny zanakalahin'i Robena, lahimatoan'Isiraely (fa izy no lahimatoa; saingy ny nandotoany ny farafaran-drainy no nanomezana ny fizokiany ho an'ny zanak'i Josefa, zanak'Isiraely; nefa tsy voasoratra ho zokiny amin'ny fitantaram-pirazanana ireo; 2fa Joda nisandratra noho ny rahalahiny, ary izy no nihavian'ny mpanapaka; nefa ny fizokiana kosa dia an'i Josefa ihany), 3ny zanakalahin'i Robena, lahimatoan'Isiraely, dia Hanoka sy Palo sy Hezrona ary Karmy. 4Ny zanakalahin'i Joela dia Semaia, ary Goga no zanakalahin'i Semaia, Sirney no zanakalahin'i Goga, 5Mika no zanakalahin'i simey, Reaia no zanakalahin'i Mika, Bala no zanakalahin'i Reaia, 6Bera no zanakalahin'i Bala, izay nobaboin'i Tiglato-pilesera, mpanjakan'i Asyria; izy no loham-pirenen'ny Robenita. 7Ary ny rahalahiny araka ny fokony avy, raha nisaina ny firazanan'ny fireneny, dia Jeiela lohany sy Zakaria 8ary Bela, zanak'i Azaza, zanak'i Sema, zanak'i Joela, izay nonina tao Aroera hatrany Nebo sy Balameona. 9Ary nonina tany atsinanana hatrany akaikin'ny efitra ka hatramin'ny ony Eofrata izy; fa ny ombiny aman'ondriny nihamaro teny amin'ny tany Gileada. 10Ary tamin'ny andron'i Saoly dia niady tamin'ny Hagarita izy ka naharesy azy; ary nonina an-day eran'ny ilany atsinanana rehetra amin'i Gileada izy. ¶ 11Ary ny taranak'i Gada nonina tandrifiny, teny amin'ny tany Basana hatrany Saleka; 12Joela no lohany, dia Safama no manarakaraka, dia Janay sy Safata tany Basana. 13Ary ny rahalahiny araka ny fianakaviany avy dia Mikaela sy Mesolama sy Seba sy Joray sy Jakana sy Zia ary Ebera; fito izy. 14Ireo no zanakalahin'i Abihaila, zanak'i Hory, zanak'i Jaroa, zanak'i Gileada, zanak'i Mikaela, zanak'i Jesisay, zanak'i Jado, zanak'i Boza; 15Ahia, zanak'i Abdiela, zanak'i Gony, no lohan'ny fianakaviany. 16Ary nonina tany Gileada sy tany Basana sy tamin'ny zana-bohiny ary tamin'ny tany rehetra an-tsisin'i Sardna manodidina izy. 17Ireo rehetra ireo dia nisaina araka ny firazanany tamin'ny andron'i Jotama, mpanjakan'ny Joda, sy tamin'ny andron'i Jeroboama, mpanjakan'ny Isiraely. 18Ny taranak'i Robena sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen'i Manase, izay isan'ny lehilahy mahery, ka lehilahy mahatana ampinga sy sabatra ary mahahenjana tsipìka sady zatra ny miady, dia enim-polo amby fiton-jato amby efatra arivo sy efatra alina no isan'ny azo nalefa hanafika. 19Ary niady tamin'ny Hagarita sy tamin'i Jetora sy Nafisy ary Nodaba izy. 20Ary nombana hamely ireo izy, ka dia voatolotra teo an-tànany ny Hagarita mbamin'izay rehetra nomba azy, satria nitaraina tamin'Andriamanitra teo amin'ny ady izy, ary nekeny ny fangatahany noho ny fahatokiany Azy. 21Ary nobaboiny ny bibiny, dia rameva dimy alina sy ondry aman'osy dimy alina amby roa hetsy sy boriky roa arivo ary olona iray hetsy; 22fa maro ny faty niampatrampatra, satria avy tamin'Andriamanitra ny ady. Ary nonina nandimby ireo izy mandra-pahatongan'ny namaboana azy kosa. ¶ 23Ary ny taranaky ny antsasaky ny firenen'i Manase dia nonina tamin'ny tany; ary nihamaro izy hatrany Basana ka hatrany Bala-hermona sy Senira ary hatramin'ny tendrombohitra Hermona. 24Ary izao no lohan'ny fianakaviany: Efera sy Jisy sy Eliala sy Azriela sy Jeremia sy Hodavia ary Jadiela; lehilahy mahery ireo ary malaza sady samy lohan'ny fianakaviany avy. 25Ary nivadika tamin'Andriamanitry ny razany ireo, fa nijangajanga nanaraka ny andriamanitry ny tompon-tany, izay naringan'Andriamanitra tsy ho eo anoloany. 26Ary Andriamanitry ny Isiraely namporisika an'i Pola, mpanjakan'i Asyria, sy Tiglato-pilesera mpanjakan'i Asyria, ka dia nobaboin'ireo ny Robenita sy ny Gadita sy ny antsasaky ny firenen'i Manase ka nentiny tany Hala sy Habora sy Hara ary tany amoron'ny ony Gozana ambaraka androany. ¶