1 Ary ny amin'ny Zanak'Isiraely araka ny isany, dia ny lohan'ny fianakaviany sy ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ary ny mpifehy azy, izay nanompo ny mpanjaka tamin'izay raharahany rehetra isan-tokony, Izay nifandimby isam-bolana mandritra ny herintaona, dia efatra arivo amby roa alina avy no isan'ny isan-tokony. 2Ny nifehy ny antokony voalohany, ho amin'ny volana voalohany, dia Jasobeama, zanak'i Zabdiela, ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina; 3isan'ny taranak'i Fareza izy sady lohan'ny mpifehy rehetra tamin'ny miaramila amin'ny volana voalohany. 4Ary ny nifehy ny antokony ho amin'ny volana faharoa dia Dodo Ahohita; Miklota andriandahy no isan'ny antokony; ary ny antokon'ny Ahohita dia efatra arivo amby roa alina. 5Ny komandin'ny antokony fahatelo tamin'ny miaramila, ho amin'ny volana fahatelo, dia Benaia lohany, zanak'i Joiada mpisorona; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina. 6Io no ilay Benaia, izay nahery sady ambony tamin'izy telo-polo lahy; Amizabada zanany no isan'ny antokony. 7Ny fahefatra, ho amin'ny volana fahefatra, dia Asahela, rahalahin'i Joaba, ary Zebadia zanany no nanarakaraka azy; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina. ¶ 8Ny fahadimy, ho amin'ny volana fahadimy, dia Samihota Jizarita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina. ¶ 9Ny fahenina, ho amin'ny volana fahenina, dia Ira, zanak'Ikesy Tekoita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina. ¶ 10Ny fahafito, ho amin'ny volana fahafito, dia Heleza Pelonita, isan'ny taranak'i Efraima; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina. ¶ 11Ny fahavalo, ho amin'ny volana fahavalo, dia Sibekay Hosatita, isan'ny Zerita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina. ¶ 12Ny fahasivy, ho amin'ny volana fahasivy, dia Abiezera Anatotita, Isan'ny Benjamita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina. ¶ 13Ny fahafolo, ho amin'ny volana fahafolo, dia Maharay Netofatita, isan'ny Zerita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina. ¶ 14Ny fahiraika ambin'ny folo, ho amin'ny volana fahiraika ambin'ny folo, dia Benaia Piratonita, isan'ny taranak'i Efraima; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina. ¶ 15Ny faharoa ambin'ny folo, ho amin'ny volana faharoa ambin'ny folo, dia Helday Netofatita, isan'ny taranak'i Otniela; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina. ¶ 17tamin'ny Levita dia Hasabia, zanakalahin'i Kemoela; tamin'ny Aronita dia Zadoka; 18tamin'ny Joda dia Eliho, izay isan'ny rahalahin'i Davida; tamin'ny Isakara dia Omry, zanakalahin'i Mikaela; 19tamin'ny Zebolona dia Jismala, zanakalahin'i Obadia; tamin'ny Naftaly dia Jerimota, zanakalahin'i Azriela; 20tamin'ny taranak'i Efraima dia Hosea, zanakalahin'i Azazia; tamin'ny antsasaky ny firenen'i Manase dia Joela, zanakalahin'i Pedaia; 21tamin'ny antsasaky ny firenen'i Manase tao Gileada dia Ido, zanakalahin'i Zakaria; tamin'ny Benjamina dia Jasiela, zanakalahin'i Abnera; 22tamin'ny Dana dia Azarela, zanakalahin'i Jerohama. Ireo no lohan'ny firenen'Isiraely. ¶ 23Nefa tsy nanisa ny hatramin'ny roa-polo taona no ho midina Davida; fa Jehovah efa nilaza fa hampitombo ny Isiraely ho tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra Izy. 24Joaba, zanak'i Zeroia, nanomboka nanisa, fa tsy nahefa, satria nisy fahatezerana nihatra tamin'ny Isiraely tamin'izany, ka dia tsy voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'i Davida mpanjaka ny isany. ¶ 26ary ny mpifehy ny mpiasa tany an-tsaha hiasa ny tany dia Ezry, zanak'i Keloba; 27ary ny tonian'ny tanim-boaloboka dia Simey Ramatita; ary ny tonian'ny divay tehirizina any amin'ny tanim-boaloboka dia Zebdy Sifmita; 28ary ny tonian'ny hazo oliva sy ny aviavy eny amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka dia Bala-hanana Gaderita; ary ny tonian'ny diloilo tehirizina dia Joasy; 29ary ny tonian'ny omby nandrasana tany Sarôna dia Sitray Sarônita; ary ny tonian'ny omby tany an-dohasaha dia Safata, zanak'i Adlay; 30ary ny tonian'ny rameva dia Obila Ismaelita; ary ny tonian'ny borikivavy dia Jedda Meronotita; 31ary ny tonian'ny ondry aman'osy dia Jaziza Hagarita. Ireo rehetra ireo no tonian'ny fananan'i Davida mpanjaka. 32Ary Jonatana, rahalahin-drain'i Davida, dia mpanolo-tsaina, lehilahy hendry sady be fahalalana izy; ary Jehiela, zanak'i Hakmony, dia teo amin'ny zanaky ny mpanjaka; 33ary Ahitofela dia mpanolo-tsaina ny mpanjaka; ary Hosay Arkita no sakaizan'ny mpanjaka; ary ny manarakaraka an'i Ahitofela dia Joiada, zanak'i Benaia, sy Abiatara; ary ny komandin'ny miaramilan'ny mpanjaka dia Joaba. ¶ 34