1Dia hoy Davida: Eto no ho tranon'i Jehovah Andriamanitra, ary eto no ho alitara fandoroana ny fanatitra dorana ho an'ny Isiraely. ¶ 3Ary Davida nahavonona vy betsaka hatao hombon'ny lela-vavahady sy ny fikambanany, ary varahina betsaka tsy hita lanja 4sy hazo sedera tsy hita isa; fa ny mponina tany Sidona sy Tyro nitondra hazo sedera betsaka ho any amin'i Davida. 5Fa hoy Davida: Solomona zanako mbola zaza sady tanora fanahy, ary ny trano hatao ho an'i Jehovah dia tsy maintsy ho lehibe indrindra, mba hiely any amin'ny tany rehetra ny lazany sy ny voninahiny, koa hovononiko rahateo ny zavatra ho enti-manao azy. Ka dia nahavonona betsaka Davida, raha mbola velona izy. ¶ 6Ary niantso an'i Solomona zanany izy va nandidy azy hanao trano ho an'i Jehovah, andriamanitry ny Isiraely, 7ary nanao taminy hoe: Anaka, efa mby tato am-poko ny hanao trano ho an'ny anaran'i Jehovah Andriamanitro; 8saingy nisy tenin'i Jehovah tonga tamiko nanao hoe: Be ny rà efa nalatsakao, ary ady lehibe no efa nataonao; koa tsy mahazo manao trano ho an'ny anarako ianao, satria be ny rà efa nalatsakao tamin'ny tany teo imasoko. 9Fa, indro, ianao hiteraka zazalahy, izay ho lehilahy miadana, ary hampiadaniko tsy hisy hahazo azy ny fahavalony rehetra manodidina; koa ny anarany dia hatao hoe Solomona; ary hampiadaniko sy hampandriko fahizay ny Isiraely amin'ny androny. 10Izy no hanao trano ho an'ny anarako; ary izy ho zanako, ary Izaho ho rainy, ary Izaho hampitoetra ny seza fiandrianan'ny fanjakany amin'ny Isiraely mandrakizay. 11Koa ankehitriny, anaka, ho aminao anie Jehovah, ka hambinina anie ianao, fa ataovy ny tranon'i Jehovah Andriamanitrao araka izay nilazany anao. 12Ary homen'i Jehovah saina sy fahendrena anie ianao ka hatsangany ho mpanapaka ny Isiraely, mba hitandremanao ny lalan'i Jehovah Andriamanitrao. 13Ary amin'izany dia hambinina ianao, raha mitandrina hankatò ny lalàna sy ny fitsipika izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ho an'ny Isiraely; mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po. 14Ary, he! fa na dia be fahoriana aza aho, dia nahavory talenta volamena iray hetsy sy talenta volafotsy iray tapitrisa ary varahina sy vy betsaka tsy hita lanja ho enti-manao ny tranon'i Jehovah; ary efa nahavonona hazo sy vato koa aho; ka dia ampionao kosa ireo. 15Ary koa, efa manana mpiasa betsaka ianao, dia mpikapa hazo sy tambato sy mpandrafitra ary olona mahay ny asa samy hafa rehetra. 16Ny volamena sy ny volafotsy ary ny varahina sy ny vy dia tsy hita isa. Koa mitsangàna ianao, ka manaova, ary homba anao anie Jehovah. 17Ary Davida nandidy ny lehibe rehetra tamin'ny Isiraely hanampy an'i Solomona zanany hoe: 18Tsy momba anareo va Jehovah Andriamanitrareo ka efa nampiadana anareo amin'ny manodidina? Fa efa natolony teo an-tanako ny mponina amin'ny tany; ary ny tany efa resy teo anoloan'i Jehovah sy teo anoloan'ny olony. 19Koa ankehitriny ampitadiavo an'i Jehovah Andriamanitrareo ny fonareo sy ny fanahinareo, ka mitsangàna, ary manaova ny fitoerana masina ho an'i Jehovah Andriamanitra, hampidirana ny fiaran'ny faneken'i Jehovah sy ny fanaka masin'Andriamanitra ho ao amin'ny trano izay hatao ho an'ny anaran'i Jehovah. ¶