1 Ary nony afaka izany, dia nandresy ny Filistina Davida ka nampietry azy, ary Gata sy ny zana-bohiny dia nesoriny tamin'ny tanan'ny Filistina. 2Ary nandresy ny Moabita koa izy, ka dia tonga mpanompon'i Davida nandoa hetra ireo. 3Dia resin'i Davida koa Hadarezera, mpanjakan'i Zoba akaikin'i Hamata, tamin'izy lasa nampiorina ny fanjakany teo amoron'ny ony Eofrata. 4Ary Davida nahazo babo kalesy arivo taminy sy mpitaingin-tsoavaly fito arivo ary miaramila an-tongotra roa alina; ary notraingotraingoin'i Davida avokoa ny soavalin-kalesy rehetra, fa ny tokony ho amin'ny kalesy zato ihany no navelany. 5Ary nony tonga ny Syriana avy any Damaskosy hanampy an'i Hadarezera, mpanjakan'i Zoba, dia nahafatesan'i Davida olona roa arivo sy roa alina ny Syriana. 6Ary nisy namponenin'i Davida tany Syria any Damaskosy; dia tonga mpanompon'i Davida ny Syriana ka nandoa hetra. Fa Jehovah nampahery an'i Davida teny amin'izay rehetra nalehany. ¶ 7Ary nalain'i Davida ny ampinga volamena teny amin'ny mpanompon'i Hadarezera ka nentiny nankany Jerosalema. 8Ary tao Tibata sy Kona, tanànan'i Hadarezera, no nahazoan'i Davida babo varahina be dia be, ary izany no nanaovan'i Solomona ilay tavin-drano varahina lehibe sy ny andry ary ny fanaka varahina. 9Ary nony ren'i Toy, mpanjakan'i Hamata, fa Davida efa naharesy ny miaramila rehetra an'i Hadarezera, mpanjakan'i Zoba, 10dia naniraka an'i Hadorama zanany hankany amin'i Davida mpanjaka izy hiarahaba sy hisaotra azy noho ny niadiany tamin'i Hadarezera sy ny nahareseny azy (fa Hadarezera dia fahavalon'i Toy), sady nampitondrainy fanaka volamena sy volafotsy ary varahina izay samy maro karazana izy. 11Dia nohamasinin'i Davida mpanjaka ho an'i Jehovah koa izany mbamin'ny volafotsy sy ny volamena nentiny avy tamin'ny firenena rehetra, dia tany Edoma sy Moaba sy ny taranak'i Amona sy ny Filistina ary ny Amalekita 12Ary Abisay, zanak'i Zeroia, naharesy ny Edomita teo amin'ny Lohasahan-tsira, dia lehilahy valo arivo sy iray alina. 13Ary nametraka miaramila tany Edoma izy; dia tonga mpanompon'i Davida ny Edomita rehetra. Fa Jehovah nampahery an'i Davida teny amin'izay rehetra nalehany. ¶ 15Ary Joaba, zanak'i Zeroia, no komandin'ny miaramila; ary Josafata, zanak'i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaham-panjakana. 16Ary Zadoka, zanak'i Ahitoba, sy Abimeleka, zanak'i Abiatara, no mpisorona; ary Saosa no mpanoratra. 17Ary Benaia, zanak'i Joiada, no mpifehy ny miaramila mpiambina andriana; ary ny zanak'i Davida no lehibe tamin'izay nanolotra ny mpanjaka. ¶