1 Ary Hirama, mpanjakan'i Tyro, naniraka olona tany amin'i Davida sady nampanatitra hazo sedera ary nandefa mpanao trano vato sy mpandrafitra hanao trano ho azy. 2Dia fantatr'i Davida fa Jehovah efa nampitoetra azy ho mpanjakan'ny Isiraely, ka voasandratra ny fanjakany noho ny amin'ny Isiraely olony. 3Ary Davida nampaka-bady koa tany Jerosalema ka niteraka zazalahy sy zazavavy. 4Ary izao no anaran'ny zanany naterany tany Jerosalema: Samoa sy Sobaba sy Natana sy Solomona 5sy Jibara sy Elisoa sy Elipeleta 6sy Noga sy Nafega sy Jafia 7sy Elisama sy Seliada ary Elifeleta. ¶ 9Ary dia tonga ny Filistina ka nihahakahaka teny amin'ny Lohasahan'ny Refaita. 10Ary Davida nanontany tamin'Andriamanitra hoe: Hiakatra hamely ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va izy? Dia hoy Jehovah taminy: Miakara, fa hatolotro eo an-tananao izy. 11Dia niakatra nankao Bala-perazima Davida ka namely azy teo; dia hoy izy: Ny tanako no namakian'Andriamanitra ny fahavaloko hipariaka toy ny rano vaky; koa izany no nanaovany ny anaran'izany tany izany hoe Bala-perazima. 12Dia nilaozan'ireny teo ireo andriamaniny, ka dia nasain'i Davida nodorana tamin'ny afo. 13Ary tonga indray ny Filistina ka nihahakahaka teny an-dohasaha indray. 14Dia nanontany tamin'Andriamanitra indray Davida ka novaliany hoe: Aza mandeha hanenjika azy; fa mivilia azy, dia mandehana, fa ho tonga eo aminy ianao eo amin'ny tandrifin'ny hazo balsama. 15Ary raha toa mahare fingadongadon'olona eny amin'ny tendron'ny hazo balsama ianao, dia miaingà amin'izay hiady; fa amin'izay no efa miainga mialoha anao Andriamanitra hamely ny miaramilan'ny Filistina. 16Ary dia nanao araka izay nandidian'Andriamanitra azy Davida, ka dia namely ny miaramilan'ny Filistina hatrany Gibeona ka hatrany Gazera izy. 17Ary ny lazan'i Davida niely teny amin'ny tany rehetra; ary nataon'i Jehovah nahazo ny firenena rehetra ny tahotra an'i Davida. ¶