1 Ary izao no nankany amin'i Davida tany Ziklaga, fony izy mbola niery an'i Saoly, zanak'i Kisy; ary isan'ny lehilahy mahery mpanampy amin'ny ady ireo 2sady mpitondra tsipìka ka nahay nanavia sy nanavanana raha nitora-bato na nandefa tsipìka. Isan'ny Benjamita, rahalahin'i Saoly, ireo. 3Ny lohany dia Ahiezera sy Joasy, zanak'i Sema Gibeatita, sy Jeziela sy Peleta zanak'i Azmaveta, ary Beraka sy Jeho Anatotita 4ary Jismaia Gibeonita, lehilahy mahery isan'ny telo-polo lahy sady mpifehy ny telo-polo lahy, ary Jeremia sy Jahaziela sy Johanana sy Jozababa Gaderatita 5sy Elozay sy Jerimota ary Bealia sy Semaria sy Sefatia Harofita 6sy Elkana sy Jisia sy Azarela sy Joezera ary Jasobeama Koraita 7ary Joela sy Zebadia, zanak'i Jerohama avy any Gedora. ¶ 8Ary tamin'ny Gadita nisy lehilahy mahery niendaka hanatona an'i Davida ho amin'ny fiarovana tany an-efitra, dia ny miaramila nahay niady ka nahatana ampinga lehibe sy lefona; ny tarehiny dia tahaka ny tarehin'ny liona, ary faingam-pandeha tahaka ny gazela eny an-tendrombohitra izy. 9Ezera no voalohany, Obadia no faharoa, Eliaba no fahatelo, 10Mismana no fahefatra, Jeremia no fahadimy, 11Atahy no fahenina, Eliala no fahafito, 12Johanana no fahavalo, Elizabada no fahasivy, 13Jeremia no fahafolo, Makbanay no fahiraika ambin'ny folo. 14Ireo no isan'ny taranak'i Gada sady samy mpifehy miaramila; ny kely indrindra naharesy olona zato, ary ny lehibe indrindra naharesy arivo. 15Ireo no nita an'i Jordana tamin'ny volana voalohany, fony iny nihoatra ny morony rehetra; ary nampandositra izay rehetra teny amin'ny lohasaha na atsinanana na andrefana ireo. ¶ 16Ary nisy tamin'ny taranak'i Benjamina sy Joda nankany amin'i Davida tany amin'ny fiarovana. 17Ary Davida nivoaka hitsena azy ka niteny taminy hoe: Raha fihavanana no ihavianareo atỳ amiko hanampy ahy, dia hikambana isika; fa raha avy hamadika ahy kosa ianareo ho azon'ny fahavaloko, nefa tsy mba nanao an-keriny ny tanako, dia Andriamanitry ny razantsika no hijery sy hamaly izany. 18Ary Amasay, lehiben'ny mpanafika malaza, dia nampitenenin'ny Fanahy hoe: Anao izahay, ry Davida ô, fa miandany aminao, ry zanak'i Jese; fiadanana, eny, fiadanana anie ho anao, ary fiadanana anie ho an'ny manampy anao; fa Andriamanitrao no manampy anao. Dia noraisin'i Davida ireo ka notendreny ho mpifehy ny miaramila. ¶ 19Ary nisy sasany tamin'ny Manase niala hanatona an'i Davida, raha nomba ny Filistina hiady amin'i Saoly izy, nefa tsy nanampy azy izy; fa ireo andrianan'ny Filistina nifampisaina, dia nampandeha azy ka nanao hoe: Ny lohantsika no ho entiny mila sitraka hiverenany amin'i Saoly tompony. 20Raha nankany Ziklaga izy, nisy tamin'ny Manase nanatona azy, dia Adna sy Jozabada sy Jediada sy Mikaela sy Jozabada sy Eliho ary Ziletahy, mpifehy arivo tamin'ny Manase. 21Ary ireo dia nanampy an'i Davida hamely ny antokon'ny jirika; fa lehilahy mahery avokoa izy sady komandy amin'ny miaramila. 22Fa tamin'izany nisy nankany amin'i Davida isan'andro isan'andro hanampy azy mandra-pahatongany ho toby lehibe toy ny tobin'Andriamanitra. ¶ 24Tamin'ny taranak'i Joda, valon-jato amby enina arivo, mpitondra ampinga lehibe sy lefona sady efa voaomana hiady. 25Tamin'ny taranak'i Simeona, zato amby fito arivo, lehilahy mahery sady matanjaka amin'ny ady. 26Tamin'ny taranak'i Levy, enin-jato amby efatra arivo. 27Ary Joiada dia lehiben'ny Aronita, ary nisy fiton-jato amby telo arivo teo aminy; 28ary Zadoka, zatovo mahery, sy ny fianakaviany, dia roa amby roa-polo lahy mpifehy. 29Ary tamin'ny taranak'i Benjamina, havan'i Saoly, telo arivo; fa hatramin'izany ny ankamaroany mbola nomba ny mpianakavin'i Saoly ihany. 30Ary tamin'ny taranak'i Efraima dia valon-jato amby roa alina, lehilahy mahery avokoa sady samy nalaza tamin'ny fianakaviany avy. 31Ary tamin'ny antsasaky ny firenen'i Manase dia valo arivo amby iray alina, izay notononina anarana ho avy hampanjaka an'i Davida. 32Ary tamin'ny taranak'Isakara dia roanjato no lohany, samy nahay namantatra tsara izay fotoana mety ka nahalala izay lokony hataon'ny Isiraely; ary ny rahalahiny rehetra nanaraka ny teniny. 33Tamin'ny Zebolona, izay azo nalefa hanafika ka nahay niady tamin'ny fiadiana samy hafa rehetra dia dimy alina, izay nahay nilahatra tsara tamin'ny firaisan-kina. 34Ary tamin'ny Naftaly dia nisy mpifehy arivo, ary manaraka azy dia nisy fito arivo amby telo alina amin'ampinga lehibe sy lefona. 35Ary tamin'ny Danita dia enin-jato amby valo arivo sy roa alina izay nahay niady. 36Ary tamin'ny Asera, efatra alina izay azo nalefa hanafika sady nahay niady. 37Ary avy tany an-dafin'i Jordana, tamin'ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen'i Manase, nisy roa alina amby iray hetsy nitana fiadiana samy hafa rehetra. 38Ireo miaramila rehetra ireo, izay nahay nilahatra tsara, dia niray fo nankany Hebrona hampanjaka an'i Davida amin'ny Isiraely rehetra; ary ny sisa rehetra tamin'ny Isiraely koa niray fo hampanjaka an'i Davida. 39Ary tao amin'i Davida hateloana izy sady nihinana sy nisotro; fa efa nanao nahandro ho azy ny rahalahiny. 40Ary izay teo akaikiny koa hatramin'ny Isakara sy ny Zebolona ary ny Naftaly dia samy nampitondra hanina samy hafa nentin'ny boriky sy rameva sy ampondra ary omby, dia koba sy ampempan'aviavy sy voaloboka maina sy divay sy diloilo, ary omby sy ondry aman'osy betsaka koa; fa nisy fifaliana tamin'ny Isiraely. ¶